airtel

Politique

31-juil-2023

Politique

Fikambanana IRIS feno 5 taona Manamafy ny asa hampivoatra ny fiarahamonina

Sample post image

Nitohy tetsy amin’ny ANS Ampefiloha omaly alahady ny fanamarihana ny faha 5 taonan’ny fikambanana IRIS, izay tarihin’ny filohany Aurelia Mailhol.

31-juil-2023

Nisy ny seminera natokana ho an’ny vehivavy eo amin’ny lafin’ny fitantanana, fampianarana ihany koa ny lafiny fiarahamonina, indrindra, ny fomba atao hahombiazana manoloana ny sarotra ao anatin’izao fiainana manahirana izao. Nanamarika ny fandraisana anjara amin’izay seminera omaly alahady izay hatrany ho an’ny tapany hariva kosa, ny Jeneraly Désiré Ramakavelo, akademisianina sady mpandalina tantara, izay nampianatra momba ny anjara toeran’ny fanabeazana anaty fiarahamonina. Niaraha-niasa tamin’ny fikambanana Fandresena vao maraina, izay nanamarika ny faha 10 taona nijoroany ihany koa ity hetsika ity. Misehatra amin’ny asa sosialy moa ny IRIS ka nialohan’izao dia nisy ny fambolen-kazo natao teny amin’iny faritra Ambanintsena iny nanokafana izao 5 taona izao, ankoatran’ny fanolorana fanomezana ho an’ny sahirana, fanampiana ireo hopitaly, fanarenana ireo tratry ny hetraketra-pianana sy ireo mety mila torohevitra hanarenana ny moraliny avy. Mbola misy hetsika hafa hampahafantarina amin’ny fotoana manaraka, mazava ho azy, hanohizana izao fankalazana izao, hoy hatrany ny fanazavana sy fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap