airtel

Politique

20-mai-2022

Politique

Fikambanana Tambohobe “Aoka samy hitandrina fa mandady ny trambo”

Sample post image

Mampahatsiahy ny 20 taona dia ny 2002 izay fotoana nampamaivay ny raharaham-pirenena teto amin’ny tany sy ny fanjakana ankehitriny, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Tambohobe,

20-mai-2022

Rabenjamina Willy, ny fahatongavan’izao faha 20 taonan’ny fikambananay izao. Nisy tamin’izany, hoy izy ny tsy fandriampahalemana teto amin’ny firenentsika. Nanjaka tamin’izany ny herisetra ho an’ny ankizy. Teo no nitsangana ny Tanora mbola ho beazina na Tambohobe. Nitsiry ny hevitry ny tanora hoe atao isika hivondrona hanao fanentanana mikasika ny herisetra atao amin’ny ankizy. Amin’izao faha 20 taona aty amin’ny taona 2022 izao dia tsy foana ilay herisetra fa vao mainka aza miharo habibiana toy ny hoe fakana maso. Heritrereto hoe ny zanakao no alaina ny masony. Mahatsiravina izany ary tsy fombantsika malagasy. Ao ny hoe manapaka mahalehilahin’ankizy. Tsy didimpoitra fa avy dia herisetra. Eo ny fanolanana. Rivotra inona no iainantsika eto Madagasikara? Izay no anton’ny fanentananay ho an’ny rehetra mihitsy satria mampalahelo ilay tanora, ankizy, zanaka. Aoka samy hitandrina hanara-maso ny zaza malagasy isika fa efa mandady ny trambo. Indrindra ny resaka rongony mahery vaika. Mitsofoka any amin’ny vakimparitra izao ny resaka fanindromana tanana amin’ireny. Ny mpanao vakisova amin’ny maha mpanao gazety an-kira azy no hitanay fa afaka mandika ny tranga rehetra any anaty fiarahamonina any amin’ny alalan’ny hira. Kantontsika malagasy ny vakisova, ny hiragasy, ny vakodrazana. Tsy natao hahamenatra ny mijery an’ireny. Ny sinoa sy ny japoney tsy manary ny kantony. Ny karana tsy manary ny kantony. Manentana antsika rehetra noho izany ho tonga eny Antanikatsaka Itaosy ny alatsinainin’ny Pentekosta 6 jona maraina. Ho avy ao ry Odyai, Spesialista, Gas’ta, José Satoub, Ravelo Jean Badista, Henemiah avy any Fianarantsoa izay hiangaly Horija betsileo sy ny maro hafa. Samy manana fomba fanaovany Sova ny isam-paritra eto Madagasikara ka ny dikan’izay dia antsika irery io. Tsy maintsy miverina an-doharano isika raha te handroso, hoy hatrany ny Tambohobe.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap