airtel

Politique

12-oct-2023

Fikambanan’ireo mpanara-maso fifidianana

“Misy fokontany tsy manana rejisitry ny mponina”

Sample post image

Nanao tatitra mikasika ny fanaraha-maso ny fifidianana nataon’izy teto Antananarivo renivohitra tetsy Antaninandro

12-oct-2023

omaly ny fikambanan’ireo mpanara-maso izany. Fikambanana miisa 10 izy ireo no nivondrona nanatontosa izany, hoy ny fanazavana. Misy fokontany tsy manana ny rejisitry ny mponina ao aminy ka tsy nahafahana nanatanteraka ny asa. Nisy ireo sefo fokontany nahazo baiko tamin’ny PCED na filohan’ny kaomisionim-pifidianana isaky ny distrika ka tsy azo atao hono ny fanaraha-maso na fampitoviana ny lisi-pifidianana amin’ny rejisitry ny fokontany. Nisy anarana voasoratra anaty lisitry ny mpifidy nefa tsy anaty rejisitry ny fokontany. Nisy efa maty tamin’ny volana martsa fa mbola ao anaty lisitry ny mpifidy na dia efa nisy aza ny fanamarihana momba izany. Nahatratra 54 hatramin’ny 60% eo ho eo ny tahan’ny olona nisoratra anaty tanaty lisitry ny mpifidy. Raha izao no eto an-drenivohitra dia ahoana izany ny any ambany ravinkazo any, hoy hatrany izy ireo?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap