Ny antoko marina, hoy izy, dia mifototra amina kolontsaim-pitondrana tena malagasy hitondrana ny tany sy ny fanjakana. Voaporofo teo amin’ny tantara fa ny fanjakana manaja izany no manan-kasina amin’ny vahoaka ary afaka mitondra fampandrosoana haingana ho an’ny firenena. Raha miresaka izany isika hoe fifidianana dia heverinay fa zava-dehibe ny fanaovana teny ierana. Misy lafin-javatra vitsivitsy rehefa mikarakara fifidianana. Voalohany dia hoe vonona ve ny mpiantsehatra politika? Vonona ve ny mpikarakara fifidianana? Mazava ve ny fitsipi-dalao fa indrindra, vonona ve ny vahoaka? Ny mpikarakara fifidianana izao mampiseho fahavononana fa hanao fifidianana amin’ny taona 2023. Ny tena olana izao dia hoe inona ilay fitsipi-dalao? Miainga amin’ny teny ierana eo amin’ny malagasy izany. Hay tsianjery ilay hoe mangarahara, madio, marina, eken’ny rehetra fa ny olana dia hoe hatao sa tsia ilay izy? Mankasitraka dinika ny antoko Marina na inona mety ho anarany. Tsy maninona raha mametraka olana ny hoe fikaonandoham-pirenena dia andao hatao hoe atrikasa. Atrikasa no nanaovana fanatsarana ny lalam-pifidianana ny taona 2017. Andao ary hanao atrikasa fanatsarana ny lalam-pifidianana mba hisian’ny fifidianana eken’ny rehetra satria rehefa mipetraka ny fitsipi-dalao eken’ny rehetra dia tsy misy antony intsony hitsipahana ny voka-pifidianana. Ny antoko Marina aloha mbola tsy voahasa tamin’ny hoe atrikasan’ny CENI izany. eo am-panomanana ny kaongresy nasionaly izahay ankehitriny. Fara fahatarany io amin’ny fiandohan’ny taona hoavy satria io no fahefana fara-tampony izay sady hanavaozana ny birao nasionalin’ny antoko izay efa tapitra ny fotoam-piasany fa eo ihany koa no ahafahan’ny antoko maka ny toerana politika misy azy manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Raha manana kandida izahay dia amin’io no mety hanambarana izay na koa hoe mety hanohana olona ihany koa izahay. Eo no hamaritra ny lalan-jotran’ny antoko mandritry ny 5 taona indray, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,