ny fanirian’ny mpiray tanindrazana hanatanterahana fikaonandoham-pirenena itadiavam-bahaolana anavotana ny firenena dia ho tanterahana izany ny 14 hatramin’ny 16 desambra ho avy izao eto Antananarivo izay handraisan’ny olom-pirenena tia tanindrazana rehetra manerana ny nosy anjara. Hamafisinay etoana, hoy izy ireo, ny fangatahana fandraisana andraikitr’ireo raiamandreny ara-panahy, ara-drazana sy ireo avara-pianarana ary ny herivelona rehetra misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy atosi-bohon-tanana koa ny fitondram-panjakana eo anatrehan’ny adidy mavesatra atrehintsika mianakavy ho tombontsoa ambonin’ny firenena. Heno miandalana eo ihany ny toerana. Efa fotoana ela no nanomanana azy ity ka heverinay fa tonga ity ny fotoana tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra ho an’ny hoavin’ny firenena. Efa mandeha izao ny fizarana ireo fanasana. Ny fehin-kevitra hivoaka ao no tena zava-dehibe. Manome toky ny vahoaka malagasy izahay fa tsy hanodinkodina ny fehin-kevitra tapaka eo fa tsy maintsy hamonjena ity firenena ity izay tapaka eo, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny