novambra 2022 dia ampahafantarinay amin’ny fomba ofisialy ho ren-tany sy ren-danitra fa mitsangana ny Hetsika iombonana ho an’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’I Madagasikara na H.I.F.F.I.M, hoy ireo herivelona politika niombonana nanao izany fanambarana izany tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina omaly. Hetsika hitambaran’ny herivelona maro miombon-kevitra amin’io foto-kevitra io izany, hoy izy ireo. Hiangaviana isika olompirenena rehetra tia tanindrazana mba samy hanatitra ireo volavolan-kevitra ho entina ho dinihina sy ho alalinina ary ho aravina ahafahana manavotra ny tanindrazantsika. Ny toerana hanaterana izany dia ato amin’ny hotely Le Pavé Antaninarenina ny zoma 25 novambra (TTF: rahampitso) tapany maraina. Eto koa no hampiomanana antsika vahoaka malagasy tia tanindrazana tsy an-kanavaka fa hiroso amin’ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny fanarenana sy fanorenana ifotony isika. Angatahana ny fandraisana andraikitr’ireo raiamandreny ara-panahy, ara-drazana, ireo avara-pianarana. Tsy atosi-bohon-tanana ny fitondram-panjakana am-perinasa eo anatrehan’ny adidy mavesatra ho atrehintsika mianakavy ho tombontsoa ambonin’ny firenena, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,