airtel

Politique

14-sept-2022

Politique

Fikaonandoham-pirenena “Tsy tokony asiana hambom-po intsony”

Sample post image

Amiko ny fikaonandoham-pirenena, hoy ny mpandraharaha sady mpandinika raharaham-pirenena, Harivola Raharinosy, rehefa mbola resaka governemanta iaraha-mitantana dia tsy misy dikany.

14-sept-2022

Ny fiainam-bahoaka mihitsy, hoy izy, no mila jerena. Raha nisy tolokevitra avy amin’ny mpanohitra ho fiarovana ny vahoaka nanomboka tamin’ny resaka solika, filàna andavan’andro, tsy fandriampahalemana dia mendrika ilay fikaonandoha. Ny resaka fifidianana aza no tokony hiompanana bebe kokoa. Eo ny resaka fangaraharaham-pifidianana, ny fanadiovana ny lisitra, ny lesoka mateti-pitranga toy ny hoe tsy mijery lisi-pifidianana raha tsy akaiky fifidianana ny vahoaka. Izao dia efa tokony entanina hijery tsara ny olona hoe mazava tsara ve ny momba azy any amin’ny fokontany? Entanina hijery ny anarany any amin’ny lisi-pifidianana izy avy eo. Efa latsaka ambany be izao ny fiainam-bahoaka. Ny mpanohitra tokony manome tolokevitra. Tsy tokony asiana hambom-po intsony hoe izao no nisy taloha dia tsy hiresaka aho. Izao dia manantena hoe tena raiamandreny no hitantana ilay fikaonandoha ary enga anie mba ho tena momba ny fiainam-bahoaka tokoa no resahana ao. Tsy misy resaka an’izay mihitsy hatreto. Korontana foana no iainan’ny vahoaka isan’andro. Tsy mandry fahalemana hatrany anaty resaka asa. Mazava izao fa samy te hitondra na ny efa eo na ny mpanohitra. Adino foana ny fiainam-bahoaka. Natao sorona sy tohatra fiakarana foana ny vahoaka. Natao hampiasaina hidina an-dalambe nefa avy eo ve nisy nijery rehefa betsaka ny maty, naratra, simba fiainana? Nampianarina hikorontana, tsy hanana fitsipika, tsy ho tia tanindrazana no tena marina amin’ilay vahoaka. Rehefa vita ny ilana azy dia averina mijaly indray aloha. Rehefa mahatsapa tsara mijaly dia miverina midina an-dalambe indray. Dia miodina tahaka izay foana ve izany ilay fiainantsika eto, hoy hatrany ny tenany ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap