airtel

Politique

24-août-2022

Politique

Fikarakarana ny fifidianana Nilaza ho efa nanokana vola ny Fanjakana

Sample post image

Mbola baraingo ny fiatrehana ny fifidianana raha tarafina amin’ny fomba firesaky ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika.

24-août-2022

Ahiana tsy hamatsy vola ny fifidianana ny mpamatsy vola noho ny tsy fanatanterahan’ny governemanta ny fanavaozana nangatahan’ny mpanara-maso iraisam-pirenena taorian’ny fifidianana 2018, raha tarafina amin’ny fanehoan-kevitry ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina Giovanni Di Girolamo vao tsy ela. Misy ny fampahalalam-baovao mametra-panontaniana ankehitriny hoe: vola avy aiza marina no hikarakarana ny fifidianana? Ahiana ho tsy manana hoenti-manana ara-bola feno hoenti-manatanteraka ny fifidianana ny Fanjakana. Tara volana maro ihany koa ny famoaham-bolan’ny FEC (Fonds Elargi de Crédit) noho ny tsy fisian’ny fanavaozana samihafa nangatahana tamin’ny governemanta, izay voalaza fa tsy azo hihodivirana. Etsy ankilany, nilaza ny Minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin omaly, fa “mandeha tsara ny fanomanana, ny CENI no tena tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ny fifidianana, fa ny Minisitera sy ny sampan-draharaha samihafa dia manao tantsoroka. Amin’izao fotoana izao dia efa nivoaka ny didim-panjakana 2022-667 izay mametraka ny hoe: tokony hanao “refonte” ny lisitry ny mpifidy isika, efa miomana amin’izany ny CENI amin’izao fotoana izao, ary efa nisy ny vola izay nolaniana tao amin’ny LFR izay natokana hanaovana izany. Amin’izao, efa mametraka ny rafitra rehetra ny CENI satria misy an’ireny kaomisionin’ny fifidianana ireny, na eo anivon’ny faritany, faritra, distrika, kaominina, hatreny amin’ny fokontany izay tsy maintsy hapetraka aloha, tena miroso isika amin’ny fanisana ankapobeny ny mpifidy”, hoy izy. Raha ny tetiandro hatreto, manomboka ny 01 oktobra ny fanisana faobe. Nambarany fa efa nisy vola natokan’ny Fanjakana amin’ny fifidianana fa izany tsy mahasakana antsika hiara-hiasa amin’ny mpiara-miombon’antoka hifanampy amintsika, efa manao ny fifampiraharahana na “négociations” rehetra ny Fanjakana. Raha ny fifidianana hita sy nisy teto aloha, toa nianteherana hatrany tamin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ny mpiara-miombon’antoka. Manama-maso ihany koa ireo, ka izay no nisian’ilay toromarika na “récommandations” nataon’ny Vondrona Eoropeanina taorian’ny fanaraha-maso nataony tamin’ny fifidianana 2018, saingy notsipihin’ny masoivohony Giovanni Di Girolamo tamin’ny herinandro ambony. Ireo izay mivoy sy mitaky fifidianana madio, azo antoka, andraisan’ny rehetra anjara,… Ahoana marina ny ho fizotry ny toe-draharaha ara-politika?


Mikasika ny fifidianana sefom-pokontany voalaza fa tokony hatao amin’ity taona ity, dia naneho ny minisitry ny atitany fa tsy maintsy misy fandaminana hapetraka. Tsy namaly ny mpanao gazety ny resaka fanoloana sefom-pokontany kosa ny minisitra ary naneho fa amin’ny manaraka no hiresahany izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap