airtel

Politique

26-oct-2021

Politique

Fikasana hamono ny Filoha Tsy re intsony ny raharaha “Apollo 21”

Sample post image

Nihazakazahana ny fisamborana tetsy sy teroa sy ny fampidobohana am-ponja vonjimaika momba ny raharaha “Apollo 21”, na ilay fikasana hamono ny Filoha,

26-oct-2021

 izay ny 20 jolay no nisy nosamborina voalohany. Nanitrikitrika mihitsy ny Filoham-pirenena andro maromaro taorian’ny fanambarana ofisialy ny fisian’io fikasana io, fa efa hisy hikapa izao ve ny lohanao dia mbola hoe: “présomption d’innocence” na hoe: zo amin’ny maha mbola tsy voaheloka. Nilaza ny tenany fa misy mpanao politika ambony voasaringotra. Nambara fa feno ny porofo teo am-pelantan’ny manam-pahefana sy ny Fitsarana. Raha tarafina tamin’ireny, dia tena hoe nihazakazaka ny raharaha, kinanjo toa gina ho azy teo, toa mampitombina ny ahiahy, fa sinema. Niniana navoaka ny fakana am-bavany ny mpanakanto Sareraka, toa natao handokafana ny Filoha hoy toy ny tsy manan-tsiny amin’ny tsy fahombiazana, ary misy ekipan’ny Filoha nasokajian’io mpanakanto io ho “borizano”, “tandapa”,… mamitaka an’I Andry Rajoelina. Aiza anefa ny tohiny? Mandrak’ity ny androany anefa, nangina tanteraka tsy hita izay tohiny. Tsy mety mandeha ny fitsarana hatramin’izao. Avo lenta ilay raharaha, ka dia izay voasaringotra aloha dia mipirina any Tsiafahy sy Antanimora. Mety ho antitra any raha izao no mitohy. Inona marina ary izany no antony mbola tsy hitsarana ilay raharaha hatramin’izao? Ny 15 oktobra lasa teo no nilazan’ny Minisitry ny Fitsarana fa mamela ny fahaleovantenan’ny fitsarana tanteraka, ary tatitra no azon’izy ireo, fanaraha-maso ny fampanajana ny lalàna no ataony,… Raha ny tatitra azon’izy ireo kosa dia efa any amin’ny Fitsarana ambony ny antontan-taratasy izay efa vita tanteraka ny an’ny fitsarana mpanao famotorana. Miandry isika hoe: rahoviana no hitsarana iny raharaha iny, ary tsy azo ekena ny tsy maty manota, tsy azo ekena ny tsy fanajana ny fifamindram-pahefana ara-demokrasia satria mifanohitra amin’izany no saika hataon’ireny olona ireny, rah any nambarany tamin’izany. Anjaran’ny Minisitera ny mijery ny hoe: rahoviana ny hisian’ny “équilibre institutionnel” ahafahana mitsara azy, hoy io minisitra io. Misy tsy fahamarinan-toerana sy fifandanjana ara-piandrianam-panjakana ary ve izany eto amin’ny tany sy ny firenena ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap