airtel

Politique

11-avril-2023

Politique

Fikirakirana fifidianana sy politika Hiditra amin’ny kihon-dàlana farany…

Sample post image

Nifarana vonjimaika omaly 10 aprily ny lisi-pifidianana, ka mbola andrasana ny tatitra ofisialy momba izany avy amin’ny CENI hoe:

11-avril-2023

aiza ho aiza amin’ny tanjona napetraka no tratra? Raha ny antontan’isa farany nampahafantarina ireo antoko politika ny 24 martsa kosa, miisa 10 069 136 ny takelaka fanisana mpifidy nampiasana, 64 884 (Antananarivo 30 686, Toliara 10 151, Fianarantsoa 7893, Toamasina 7245, Mahajanga 5681, Antsiranana 3276) ny anarana niverin-droa na “doublons” ka miisa 10 004 252 rehefa nofafana ireo. Tsy dia mifanalavitra amin’ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana tamin’ny fifidianana 2018 izay 9 9913 599 na efa nohalavaina aza ny fe-potoana. Manome 73,60% tamin’ny tanjona nokendrena izay 13 593 006 ny taha tapa-bolana lasa izay. Mitana ny laharana voalohany amin’ny tahan’ny fisoratana anaran’ny mpifidy I Mahajanga izay 80,31%, Fianarantsoa 76,42%, Antsiranana 75,99%, Toliara 75,88%, Toamasina 75,88%, Antananarivo 67,80%. Io no antontan’isa ofisialy farany, ka andrasana ny fivoarany tao anatin’ny tapa-bolana amin’izao fikatonanana vonjimaikan’ny lisitra izao. Amin’ny 31 mai moa vao tena hifarana tanteraka ny fahafahana misoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Hiditra amin’ny kihon-dàlana farany izany ny resaka fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana.
FANARAHA-MASON’NY FIRAISAMONIM-PIRENENA
Raha ny fanaraha-maso navoakan’ny Firaisamonim-pirenena safidy nanaovany tatitra ny faramparan’ny volana martsa teo, tamin’ny kaominina 482 ao anatin’ny distrika miisa 108, dia 61% tamin’ny olona nokendrena no nisoratra anarana ho an’ny teny anivon’ny distrika hatramin’ny faran’ny janoary. 13% no nahatratra ny tanjona 75% nofaritan’ny CENI, 17% no tsy nahatratra afatsy 50%. Ny 77% tamin’ny olona nohadihadiana kosa no nisoratra anarana tamin’ny alalan’ny fitsidihan’ireo mpanisa mpifidy nitety tokantrano, raha toa ka 21% kosa teny amin’ny fokontany. Isan’ny lesoka tao anatin’ny fanisana mpifidy ny tsy faharisian’ny olom-pirenena, tsy fahampiana ara-pitaovana, tsy fahampiana na ts fisian’ny fanentanana maha olom-pirenena sy ny fanisana mpifidy. MBOLA HO HENJANA NY ADIHEVITRA POLITIKA… Na misy aza ny fitsirihana samihafa izay efa fanao foana, mbola maro ny adihevitra politika manodidina ny fifidianana: lisitra, lalàna, rafitra,... Mbola baraingo ny ho avy! Navoitra amin’ny teboka 4 dia ny resaka rijatenin-dalàna mifehy ny fifidianana; ny raharaham-pifidianana toy ny tolo-kevitra mikasika ny lisitra sy ny birao fandatsaham-bato ary ny voka-pifidianana; ny fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana sy ny fanentanana ny olom-pirenena amin’ny tontolo politika; ny fanaraha-maso ny fifidianana. Mbola hamory mpanao politika hiaraha-mijery ny fomba hanatanterahana ireo tolo-kevitra voaray. Na izany aza, misy ireo antoko milaza toy ny G5 ahitana ireo vovon’ny mpanohitra toy ny RMDM, PANORAMA,… nilaza fa ny CENI amin’io endriny mihitsy no tsy mety noho izy olona akaiky ny fitondrana no ankamaroan’ny mpikambana, ary tsy misy avy amin’ny mmpanohitra. Nanampy trotraka izany, ny fiampangan’ny Antoko sasany toy ny HVM ny CENI sy HCC ho mampiahiahy eo anatrehan’ny fahanginany manoloana ny fihetsiky ny Fanjakana nanao fepetra manohintohina ny fahalalahana mamory vahoaka ankalamanjana amin’ny lafiny politika, izay nosokajian’Atoa Rivo Rakotovao izay Filoham-panjakana teo aloha ho Fihoaram-pefy mihitsy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy

Card image cap
02-oct-2023

Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna

Card image cap
02-oct-2023

Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,

Card image cap
02-oct-2023

Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio

Card image cap
02-oct-2023

Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may

Card image cap
02-oct-2023

Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)

Card image cap