Tena lasa sarotra ny famidirina angidimby na elikoptera eto.Efa tsy eo am-pelatanan’ny aviation Civile de Madagascar (ACM) intsony ny fanomezana fahazoan-amin' mantsy fa hoe tsy maintsy alaina any amin’ny fiadidiana ny repoblika. Dia fantatra fa tsy maintsy omena roa volana mialoha ny anaran’ny mpanamory hitondra ilay elikoptera. Mbola tsy resahina amin’izany ny hoe ahoana no ampidiriana ny elikoptera eto. Fa tena sarotra ihany izany hoe hanome anarana roa volana mialoha izany, hoy ny fitarainan’ireo kandida ireto satria raha marary tampoka na tsy afaka ny mpanamory efa nosoratana anarana dia tsy avela hanidina ve izany ilay elikoptera raha mpanamory hafa no entina eo. Tsy mora anefa fa tena mila fiomanana goavana izany hampiditra elikoptera eto Madagasikara izany ; ary ny olona hanao an’io dia mazava be fa efa manana taratasy ara-dalàna takian’ny lalàna sy ny fifanarahana iraisam-pirenena ka inona ihany no anton’izao sangodim-panina be izao ?
RTT
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby