airtel

Politique

25-nov-2021

Politique

Filankevitra ambony momba ny demokrasia “Aoka izay ny fifidianana mamitaka ”

Sample post image

Ampiakarina ankehitriny ny maripana politika, hoy ny filohan’ny filankevitra ambony momba ny demokrasia sy ny tany tan-dalana na HCDDED,

25-nov-2021

Navony Pierre Lenoble. Be dia be, hoy izy, ao anatin’izay ny olona miresaka. Ao ny te hanao hoe foano ny HCC sy ny CENI, andao hanao tetezamita, ovay ny lalampanorenana sy ny hafa rehetra. Tsy ny lalampanorenana no zava-dehibe fa ny fanatanterahana ny voasoratra ao. Misy lalampanorenan’olona tsy niova tao anaty 200 taona. Ny an’ny frantsay koa io hitantsika ary hiditra amin’ny repoblika faha 5 izy. Isika ny taona 1960 no nahazo fahaleovantena nefa mihazakazaka te hanakatra an’I Frantsa. Marobe isika no saribakolin’ny frantsay te ho vazaha nefa tsy ho vazaha mihitsy. Aza mitomany randrana manendrika ny hafa! Raha hanao fifidianana lalampanorenana ihany dia tena fifidianana lalampanorenana ahitana lalampanorenana maro azo isafidianana atao fa aoka izay ny fifidianana mamitaka amin’ny fanontaniana hamaliana fotsiny hoe “eny sa tsia”! Fitaka foana hatramin’izay ny fanontaniana atao. Ohatra hoe “tianao ve ny hampandroso ny tanindrazantsika? Fidio ity lalampanorenana ity!” nefa fanontaniana mifono fitaka dia mazava ho azy fa mandresy ny “eny”. Mikasika ny resaka HCC sy CENI dia aoka ho maro ny delege anaty fifidianana. Zava-misy koa ny fisian’ny tsy fandriampahalemana izay hanaovana antsoavo hoe omeo fitaovana ny mpitandro filaminana. Ampitomboy ny fitaovany fa mampalahelo ny hoe miantso ianao dia mamaly izy hoe “tsy misy fiara izahay!” na “tsy misy lasantsy izahay!”. Ampio koa ny olona, hoy hatrany ny HCDDED.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny HCDDED. Atoa Navony Pierre Lenoble
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap