airtel

Politique

07-juin-2021

Politique

Filankevitry ny Governoran'ny Faritra "1er tour" dia vita ...

Sample post image

Notanterahina ny 15 oktobra 2020 ny filankevitry ny minisitra voalohany natao ivelan’Antananarivo.

07-juin-2021

 

 

Tamin’io andro io ihany koa no nisantarana ny Filankevitry ny Governoran'ny Faritra. Ny Faritra Sofia no nampiantrano izany, ary natao tao Antsohihy renivohitra. Zava-dehibe ny fanaovana izany filankevitry ny Governoran'ny Faritra izany satria ahafahana manara-maso ny fizotran’ny fanatanterahana ireo tetikasa fampandrosoana, hoy ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Nampanantena ity farany tamin’io, fa hatao isaky ny 45 andro ny Filankevitry ny Governoran'ny Faritra toy izao ary hitety ireo Faritra 22. Mbola iny tany Sofia iny ihany aloha hatreto no natao, ary mbola baraingo raha hisy tohiny. Ny 25 septambra 2020 ny nanombohan’ny fanendrena an’ireo Governoran'ny Faritra. Nanoritsoritra ny iraka ampanaovina ireo Governoran’ny Faritra i Andry Rajoelina tany Antsohihy. Ireo no hamaritra ny laharampahamehana sy ny hitarika ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana eny anivon’ny Faritra, ireo no hitarika ny famahana ny olana eny ifotony. Nisy in-droa miantoana izay ny vola fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana nomena hotantanan’ireo Governoran’ny Faritra, hanatanterahana foto-drafitrasa toy ny lalana, sekoly, tsena. Ireo Faritra miisa 21 no efa manana Governora hatreto, miandry ny fanendrena izay ho Governorany kosa hatramin’izao ny Faritra Betsiboka.

Jean D.

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap