Hitodika aty Madagasikara ny mason’ny ranomasimbe Indianina sy afrika ary mety izao tontolo izao mihitsy amin’io herinandro ho avy io.Hanao fitsidihina ofisialy eto ny filoha Frantsay Emmanuel Macron no sady hanatrika ny fihaonana an-tampon’ny vaomieran’ny ranomasimbe Indiana miaraka amina ihany koa ny 23 sy 24 aprily 2025.
FANAMAFISANA NY FANJANAHANA
Io efa hita tato anatin’ny 3 herinandro io ny fihetsiketsehana isan-tsokajiny ho fiomanana amin’ny fandraisana, ny vahiny manan-kaja, hono. Lasa adihevitra efa ho isan’andro ity fahatongavan’ny filoha Frantsay ity, nanaitra ny hambom-pon’ny hafa, mahafalifaly ny sasany, mahatonga saina ny maro ihany koa anefa. Maro be ny fanehoan-kevitra fa singanina manokana androany ny an-dry zareo avy ao amin’ny antoko Otrikafo izay tena mahitsy fitenenana tokoa. Hanamafy fanjanahantany no ahatongavan'ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny Otrikafo Elia Rabevahiny. Maro ihany koa ireo mpandinika sy mpamakafaka poltika, mihevitra izany.Lasa niverina ao anatin’ny adihevitra ilay resaka 8 santimetatra na ny maha teratany frantsay an’i Andry Rajoelina, filohan’ny repoblikan’i Madagasikara.Mihetsiketsika fatratra ery ry zareo satria hitsena ny filohany hoy ny fantsy anaty anaty tambazotra sosialy…nisy ireo nametra-panontaniana mihitsy hoe : fa niverina izany nyfankanahan-tany ve ? Tena mbola tsy ampy ve ny 96 taona nanandevozan’ny lafrantsa antsika teto ? Tsy misy mpitarika politika mahavita an’ireny nataon-dry zareo tany mali sy Burkina Faso ireny mihitsy ve eto amin’ity Madagasikara midadasika be ity fa dia mionona amin’ilay hoe : mahay mandray vahiny.
FANJANAHANA MAODERINA
Famerenana ireo nosy manodidina na Ilzeparsa no nandrasana, toa ny fanjanahana amin’ny endriny moderna indray ity no miverina, hoy ny raim-pianakaviana iray, mpandraharaha tena mahatsiaro mangirifiry amin’ny sotasotan’ireo vazaha menasofina sasany miezaka ny mifehy ny toekarena sy ny vola eto. Tadiavina atao mpiasa sy boto ny Malagasy fa mitandrema ianareo, hoy ny mpiray tanindrazana iray monina any Amerika avaratra any raha naneho hevitra izy. Marina fa eo ihany hoe ilay fivoriana, saingy tsy tongatonga ho azy io fitsidihana ara-pomba ofisialy io amin’izao toe-draharaha iraisam-pirenena mamay be izao.Vao miha moa tena nampiahiahy ilay fanapahan-kevitry ny governemanta hoe atao andro tsy fiasana nefa handraisan-karama ny 23 mey 2025. Dia tena tsy maintsy natao an’izay mihitsy ve, fa hoe manaja vahiny ? Tahaka ireny hoe asaina mihiboka indray toy ny tamin’ny « confinement » noho ny Covid 19 Ramalagasy.
RTT
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny