airtel

Politique

13-déc-2022

Politique

Filoha, governemanta, depiote IRD Lasa kiboribory vetaveta ny fitantanana firenena

Sample post image

Nisy omaly ny fanambarana ara-politika fohy nataon’ny filohan'ny Antenimierampirenenena, Razanamahasoa Christine, manoloana ny ambarany fa fisiana toe-draharaham-pirenena mampisavorovoro ny sain’ny vahoaka

13-déc-2022

Malagasy ankehitriny. Tao anatin’ny tapany voalohan’ny fanambarana, dia nilaza Rtoa Christine Razanamahasoa, fa “Andraikitra apetraky ny lalàmpanorenana ho an’ny solombavambahoaka, araka ny andiny faha-103 ny fandrefesana ny asan’ny governemanta amin’ny fanatanterahana ny politika ankampoben’ny Fanjakana”. Marihina fa tao anatin’ilay taratasy fitsipaham-pitokisana, dia natsikafon’ny depiote tanteraka ny governemanta. Ampangain’ny depiote ho tsy manaja ny fisaraham-pahefana ny governemanta, tsy mahatanteraka ny programan’asa voarakitra ao anatin’ny Politika Ankampoben’ny Fanjakana izay natolotra ny antenimiera, izay raha ny tatitry ny “cours des comptes” voarakitra ao anatin’ny “Loi de reglement 2019” izay milaza fa tsy nahatratra salan’isa ny fanatanterahana ny progaraman’asa satria 45% fotsiny. Tsy mahafehy ny fahantrana, izay nitombo 81% ny tahany. Natsikafon’ny depiote ny fivoahan’ny harem-pirenena antsokosoko: vato sarobidy, hazo sarobidy, harena an-dranomasina, biby, volamena, ny fanjavonan’ny volamena 36kg tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany. Tahaka izany ihany koa ny fitantanana tsy mazava ny orinasam-panjakana: Air Mad, JIRAMA, FCE, Pharmalagasy, Madarail, SMMC, SECREN,… Ho an’ny toekarena: fisian’ny ampihimamba eo amin’ny fanondranana voly fanondrana toy ny lavanila sy litisy, tsy fifehezana ny vidim-piainana, tsy fisiana famoronan’asa, tsy fisian’ny finiavana hametraka tontolo malalaka sy ara-dalàna ahafahana mandraharaha sy mihary,… Tamin’ny tapany faharoa anefa, “Ny solombavambahoaka maro an’isa (majorité parlemantaire) eto anivon’ny Antenimierampirenena (IRD), indrindra ny tenako manoana, dia manamafy hatrany ny fiarahamiasa sy fanohanana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ao amin’ny politikan’ny fampandrosoana ny firenena ho tombbotsoa ambonin’ny firenena. Koa eto am-pamaranana dia eto am-pamaranana, dia miantso fitoniana sy filaminana ho an’ny vahoaka Malagasy fa ny isavorovoroan-kilatoana”, hoy Rtoa Christine Razanamahasoa. Ny governemanta nanjakan-dRajoelina efa naboridan’ny depiote ny tsy fahombiazany, Rajoelina tsy te hikitika ny governemanta noho ny mety ho tahotra ara-politika, ny depiote maro an’isa manohana an-dRajoelina ary manohana amin’ny politikam-pampandrosoany, ny governemanta hanatanteraka izany anefa efa lazaina fa tsy mamely, ny Antenimiera sy ny Filohan’io andrim-panjakana io maty henjiky ny olon’ny governemanta tahaka ny ataon’ny Minisitry ny serasera,… Toa lasa kiboribory vetaveta na “cercle vicieux” araka ny fiteny vahiny ilay politika sy raharaham-pitantanana Fanjakana. Fantatra fa tsy mety intsony ilay fomba fiasan’ny Governemanta koa maninona no nosintomina ilay fitsipaham-pitokisana? Tena ny tombontsoam-bahoaka tokoa ve no imasoan’ireo solombavambahoaka maro an’isa ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap