airtel

Politique

10-oct-2023

Filoha lefitry ny Antenimierampirenana

Lasa nanamafy ny tolona ny depiote Papasolo

Sample post image

Mihazakazaka ny raharaham-pirenena, ary manomboka miova hatrany ny sary politika. Raha miha mahazo vahana

10-oct-2023

 sy maharesy lahatra olona maro ny tolona sy fitakiana ataon’ny Firaisankinan’ny kandida na tsy misy fanambazana sy fividianana olona aza, dia tsikaritra ho mihen-danja hatrany kosa ny ao anaty sambon’ny fitondrana. Raha ny sary nivoaka omaly, dia tazana ho lasa niray làlana amin’ireo depiote ao anatin’ny fanoherana sy miara-dia amin’ny tolon’ny Firaisankinan’ny kandida ny solombavambahoakan’I Faratsiho sady Filoha lefitry ny Antenimierampirenana avy amin’ny Faritanin’Antananarivo Atoa Rasolonjatovo Honoré na Papasolo, izay marihina fa lany tamin’ny IRD. Ity farany izay mpandraharaha ankoatra ny maha solombavambahoaka azy, ary malaza ho isan’ny nanaovan’ny mpitondra antsojay na depiote lany tamin’ny lokon’ny IRD aza. Nisy ihany koa ny feo nandeha tamin’ny fotoana fandrotsahana ny dosien’ny kandida ho filoham-pirenena fa anisan’ny handray anjara izy. Tsy izay anefa no nitranga. Filoha lefitry ny antenimierampirenena miisa 3 dia ny tenany sy Atoa Brunelle Razafitsiandraofa filoha lefitry avy amin’ny Faritanin’I Fianarantsoa ary Atoa Jean Jacques Rabenirina Filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’I Toliara izany no isan’ny tsy ao anatin’ny sambon’ny fitondrana intsony, raha tena efa nisintaka izy. Iny niaraha-naheno iny ihany koa ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa izay nanameloka ny herisetra sy nanambara fa mila hajaina ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zon’olombelona, ary nanao tahaka io ihany koa ny Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Herimanana Razafimahefa, izay midika zavatra goavana amin’ny politika. Efa ela no tsy iray làlana tamin’ny volomboasary intsony ry Hajo Andrianainarivelo, nisintaka ihany koa ry Siteny Randrianasoloniaiko, izay samy kandida mifaninana amin’I Andry Rajoelina, ary ao anatin’ny Firaisankinan’ny kandida mijoro sy manohitra ny fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena noho ny amboletra dia ny fahafahan’ny filoha teo aloha mirotsaka na efa very aza ny zom-pirenena maha-Malagasy azy. Betsaka ireo solombavambahoaka nisintaka tao anatin’ny fitondrana toa an-dry Keron Idealson sy ny namany, ireo lany tamin’ny lokon’ny MMM,… Henjana ihany koa ny tsikera ataon-dry depiote Paul Bert Rahasimanana na Rossy na mivantana na ankolaka,… Midika zavatra goavana ireny satria raha io sary mitranga io, dia saika olona manana lanja ara-politika avokoa ireo ampahan’olona voatanisa ireo, izay mety mieritreritra sy tsy te handoto ny hoavy politika eo anatrehan’ny fahadisoana ataon’ny volomboasary.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap