hoy ny filohan’ity rafitra ity izay misahana ny faritanin’i Toamasina, Rasolondraibe Jean Jacques. Amin’ny alalan’ny rafitra misy ao aminy no anaovana izany, hoy izy, indrindra, ny kaomisionina toy ny “fahamarinana sy fifamelan-keloka”, “famotsoran-keloka sy fanonerana”, “fanorenana ny repoblika sy ny firenena”. Nanao famotsoran-keloka izahay saingy tsy miankina aminay kosa ny fanonerana fa miankina amin’ny tahirim-bolam-pirenena ho an’ny fiaraha-miaina sy fifankatiavana na ilay antsointsika hoe “Fonds souverain”. Nidina ifotony izahay dia nilaza taminay ireo tangalamena hoe misy fomban-drazana toy ny tetefery, joro, tsaboraha sy ny maro hafa izay fomba tena malagasy sy soatoavina entina hampihavana indray sy hanasitrana ny fery nahazo ny firenena iray na antokon’olona. Betsaka ny vono olona sy tranga naha traboina teto amin’ny firenena. Teo ny fanavakavahana ara-politika, ara-pinoana, ara-pivavahana sy izay rehetra mety niteraka lonilony dia tokony sasana daholo. Velom-panantenana izahay fa hisy vokany ny fampihavanana natao tao Brickaville, izay distrika nisy havana maty, very harena, voan’ny voina maro samihafa ka tena mila fampihavanana. Izay no heritreritray satria ny tena moa filoha misahana an’i Toamasina dia io ilay hoe miasa eny ifotony saingy mihevitra ny manontolo na “Agir localement mais penser globalement.”. Anisan’ny nitondra faisana tamin’ny fotoan’androny i Brickaville. Nalaza hoe teo amin’ny “pont Bailey” ny barazy. Nisy ny maty, naratra, nitondra faisana. Nisy toerana iray antsoina hoe Antsampan’I Mahazo, ohatra, nisehoana zava-doza mihitsy, hoy hatrany ny tenany, ka mino izahay fa hisy vokany iny fampihavanana natao tany Brickaville ary ho tohizana any amin’ireo faritra hafa iny.
J. Mirija
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,