Mety ho hafa ny endrika hitondrana azy hialana amin’ny hoe: misy fandikana ny lalàmpanorenana, fa na izany aza voararan’ny lalàna ny fampifangaroana ny asany amin’ny asa anaty antoko politika. “Ny asan'ny Filohan'ny Repoblika dia tsy azo ampirafesina aminà asam- panjakana nahavoafidim-bahoaka, asa aman-draharaha hafa, asa ao anatin'ny antoko politika, vondrona politika, na fikambanana, ary fisahanana andraikitra eo anivon'ny fikambanam-pivavahana. Izay rehetra fandikana ireo fepetra voalazan'ity andininy ity, voamarin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, dia zary ho antony amin'ny tsy fahafahana miasa tanteraka hoan'ny Filohan'ny Repoblika”, hoy ny andininy faha-49 amin’ny lalàmpanorenena. Io no fototry ny fitorohana sy fangatahana depiote sasany tamin’ny alalan’ny Filankevitra ambony fampanajana ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna HCDDED ny fanamarinan’ny HCC ny fandikana ny lalàmpanorenana ahafahana mampiato ny Filoha amin’ny asany noho ny fampiantsoany depiote tetsy amin’ny Arena Ivandry ny takarivan’ny 7 febroary nentina nanomezana baiko ny hanatsaharana ny fitsipaham-pitokisana. Nolavin’ny HCC anefa izany, ka nahatonga ireo depiote hanao fanambarana tetsy amin’ny Le Hintsy fa tsy azo antoka fa mitanila io rafitra io. Ny zava-niseho aza, dia ny fanafaingana haingana dia haingana ny fanamafisana tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny 23 martsa teo, fa tapitra ny fe-potoana iasan’ny Mpikamban’ny HCDDED. Efa didy fakan-tahaka na “jurisprudence” ve ilay fandavan’ny HCC fa nandika ny andininy faha-49 amin’ny lalàmpanorenana ny Filoha ka efa afaka mamory solombavambahoaka araka izay tiany raha izay tokoa no ho endriky ny fanasana sy ny fampiantsoana ireo rahampitso ?
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby