airtel

Politique

22-juin-2023

Politique

Filoha vazaha taratasy Mitohy ny fandroritana, tsy ho afa-bela intsony Rajoelina

Sample post image

Manao randran-tarihina hatrany ny famohazana dosie na resaka mamatotra ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Taorian’ny resabe momba ny fahazoana ilay zom-pirenena Frantsay,

22-juin-2023

mifoha ny resaka hafa niainga tamin’ny fihetsiny, izay toa mamatotra azy tamin’iny raharaha iny. Misy mampahatsiahy ny karazana fijoroana vavolombelona nataony teny amin’ny CCI Ivato ny 25 martsa 2023 teo, tamina hetsika ara-pivavahana. « Ny papako dia "maramila" frantsay kanefa nandà ny hijanona amin'izany izy fa nanao maramila gasy rehefa tonga ny fahaleovantena tamin'ny 1960 », hoy i Andry Rajoelina. « Very teo izany ny naha-frantsay ny papan'i Andry. Eo aloha izany dia tsy mitombina ny hanan-janaka frantsay mihitsy i papan'i Andry rehefa niteraka azy ny 30 may 1974, satria malagasy ny papany, na dia lazaina hoe frantsay aza ny dadabean'ny papany (arrière-grand-père) », hoy ny tsoa-kevitry ny olona. Tsy nandova ny rainy tamin’ny fanaovana miaramila Frantsay ihany koa izy. « …. Tsy nanao kapôraly na lietnà na kômandà na kôlônely na jeneraly fa tonga dia lasa Lehibe Farantampon’ny Foloalindahy taty aoriana, lasa nisafo ny andian-tafika teo Mahamasina, rehefa nahazo Fanjakana tamin’ny fandrombaham-pahefana tamin’ny 2009 sy lasa Filoham-pirenena tamin’ny 2018. Lasa frantsay ihany izy ny 19 novambra 2014, rehefa feno 40 taona. Mbola manohy ny adihevitra mikasika ny nahazoany ilay zom-pirenena Frantsay, izay mahavery ny zom-pirenena Malagasy moa io, ary manamafy fa tsy nolovainy tamin’ny maha fianakaviana Frantsay azy ireo na “par filiation” ny nahazoany azy. Ny “naturalisation” rahateo dia niainga tamin’ny fangatahana, ary avy amin’io ilay didim-panjakana navoakan’ny governemanta Frantsay. Ny mpanohitra mandrirotra fa nanao famadihan-tanindrazana ity Filoha ankehitriny ity, ary tsy tokony hijanona amin’ny toerany intsony fa hahilika, ny mpitondra miaro fatratra fa tsy very ny maha olom-pirenena Malagasy azy,… Samy manana ny handroritany ilay lalàna ka rehefa inona no ampiharina ny lalàna iray ary rahoviana no hampanginina? Rehefa iza no lazaina fa namadika tanindrazana dia mitombina ary rehefa iza no tsy mitombina? Na inona na inona holazaina, nanaratsy endrika tanteraka an-dRajoelina iny, ary efa tsy afaka intsony satria hatramin’ny ankizikely aza efa misy miteny ankehitriny hoe: “Filoha vazaha!”
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap