airtel

Politique

27-juin-2023

Politique

Filoha vazaha taratasy Tsy hanaiky ho diso mandrakizay ?

Sample post image

Tsy mety maty ny afo momba ny maha vazaha taratasy ny Filoha Andry Rajoelina na nanao sesilany aza ny fanambarana sy fanazavana nentin’ireo olom-panjakana, i

27-juin-2023

zay nisy aza nifanipaka toy ny atsimo sy avaratra. Ny mpitondra tenin’ny Filoha sady Talen’ny Seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Lova Ranoromaro indray no nanitrikitrika ny 24 jona lasa teo. Nandritra iny no nilazany fa «Malagasy ray sy reny ary mbola mizaka feno ny zom-pirenena malagasy sy manana fitiavan-tanindrazana ny filoha Andry Rajoelina. Notsiahiviny ny tenin’ny Filoha nilaza fa tsy misy afaka manala ny ra malagasy mikoriana ao anaty; ary porofoina amin’ny asa izany maha malagasy sy ny fitiavan-tanindrazana izany. Naverina hatrany, fa misy dingana tsy maintsy arahina sy hajaina vao afaka manala ny zom-pirenena malagasy amin’ny olona iray na olon-tsotra io na manampahefana, araka ny lalàna manan-kery. Ilay voakasika no mangataka hanary ny zom-pirena malagasy ary mila ankatoavin’ny Governemanta amin’ny alalan’ny didim-panjakana. Nambara noho izany fa adihevitra diso ny filazana fa tsy malagasy sy tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy intsony ny Filoha Andry Rajoelina, ka tokony hajanona ny adihevitra tsy mitondra amin’ny fampandrosoana. Nampahatsiahy ny filazan’ny Minisitry ny Fitsarana tamin’ny resaka lalàna ity olon’ny Fiadidian’ny Repoblika ity. Voalohany amin’izany ny andininy faha 43 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny Zom-pirenena malagasy izay milaza fa ny malagasy rehetra dia afaka mizaka zom- pirenena vahiny. Ny andiny faha 42 no milaza fa ny filoham-pirenena dia tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena malagasy. Ny mikasika ny fahaverezan’ny zom-pirenena malagasy no teboka fahatelo. Raha manatevin-daharana ny Tafika vahiny ny olona iray dia manary ny zom-pirenena malagasy. Ankoatra izay, mila manao fangatahana ny hanary ny zom-pireneny ny olona iray; ary amin’ny alalan’ny didim-panjakana raisin’ny governemanta vao manan-kery izany. Notsipihiny fa tsy maintsy vakina miaraka ny andiny faha 42 sy ny faha 46. Mikasika ny fiantsoan’ny mpanao politika sasany ny olom-pirenena sy ny Tafika tsy hanaja ny rafitra misy amin’ny alalan’ny tsy fandraisana anjara amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena dia mazava, hoy ny mpitondra tenin’ny Filoham-pirenena ny tenin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena teo anatrehan’ny loholona ny 20 jona fa mbola ny filohan’ny Repoblika ankehitriny, hoy izy, no filoha faratampon’ny Foloalindahy. Mandray sy manaraka ny baiko avy aminy hoy izy ny Tafika. Efa misy kosa ny sosotra any anatin’ny tafika amin’izao fotoana izao. Tsy hanaiky diso izany ny Fitondrana Rajoelina, ary tsy vao sambany ny tahaka izao. Tsy misy adihevitra ny maha Malagasy ny Ray sy ny Reniny, fa ny adihevitra dia ny endrika famadihan-tanindrazana tao anatin’ny fakany ny zom-pirenena Frantsay izay tsy nandehandeha ho azy. Samy manana ny handroritany ny lalàna ny rehetra, fa ny miharihary dia ny tsy fananan-dRajoelina etika sy fahintsiana, ary tsy hanaiky ho diso mandrakizay angamba raha tarafina amin’ny zavatra nataon’izy ireo niainga 2009?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap