airtel

Politique

19-janv-2021

Politique

Filohan` ny Antenimierandoholona Mifaninana Imbiki sy Ramanambitana

Sample post image

Namoaka ny vokam-pifidianana ofisialy ho an'ny fifidianana Loholona ny HCC ny 07 janoary lasa teo.

19-janv-2021

 

 

10 no toerana azon'ny Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina (IRMAR), nahazo toerana 2 kosa ny Malagasy Miara-Miainga (MMM). Omaly dia nivoaka ny lisitr` ireo loholona notendren` ny Filoham-pirenena araka ny didim-panjakana lah. faha 2021-060 : Imbiki Herilaza, sekretera jeneralin` ny minisiteran` ny Fitsarana (Toamasina), Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa, Hajaniaina Tahina Andrianandrasana. Marihana fa izy telo mianadahy ireto dia mpitsara avokoa. Manampy azy ireo i Jean André Ndremanjary na Iaban`i Kemba (Fianarantsoa), Richard Victor Tsiebo Mahaleo (Toliara), izay tale eo anivon` ny minisiteran` ny fanatanjahan-tena ary Richard Ramanambitana (Antananarivo), izay tale eo anivon` ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Raha ny loharanom-baovao dia nisy ny fivoriana omaly sahabo tamin` ny telo ora sy sasany hariva ka olona miisa 12 no noraisain` ny Filoha Rajoelina tetsy amin` ny lapan`Ambotsorohitra mialohan`ny nandraisany fanapahan-kevitra amin`ireo loholona hotendreny. Fantatra fa mifaninana ho filohan` ny Antenimierandoholona i Imbiki Herilaza sy Richard Ramanambitana. Tsy azo atao tsirambina ny fanendrena ny ho filohan’ny antenimierandoholona ity satria iankinan’ny politika ny fanjakana sy ny hahamarin-toerana azy. Tsikarotra kosa fa mihafy ireo olom-boafidy noho ireo olom-boatendry raha izany. Anio moa ny fivoriana manokana, araka ny didim-pitsarana lah. faha-01 HCC/AR tamin` ny 07 janoary 2021, etsy amin` ny Antenimierandoholona Anosikely, ka amin` ny talata 03 febroary izao ny fifandimbiasam-pahefana eo amin`ireo loholona roa tonta.

Marigny A.

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap