airtel

Politique

20-nov-2023

Filohan’ny Antenimierampirenena

« Tena fotoana hifanatonana an-databatra boribory izao »

Sample post image

Nivahiny tao anatin’ny fandaharana Angaredona manokana ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Rtoa Christine

20-nov-2023

Razanamahasoa ny andron’ny omaly. Amin’ny maha vehivavy, amin’ny maha renim-pianankaviana, amin’ny maha mpitolona,… dia naneho hevitra teo anatrehan’ny fodiamandrin’ny mpanakanto sady mpanao politika Ninie Donia ny tenany. « Tena nijoro mandrakariva niady ho an’ny fahamarinana izy,… Tsy nihemotra tamin’ny fampihorohoroana fa tena nijoro. Tsy mitsanga-menatra ianareo fianakaviany satria vehivavy mahery fo izy », hoy ity Filohana andrim-panjakana ity. Nitondra fankaherezana ho an’ny fianankaviany izay nilaozany, indrindra ny zanany, ny fianakaviana akaiky azy manontolo, ny taranaka Zafiny Fotsy izay manana ny maha izy azy,… noho izany ny Filohan’ny Antenimierampirenena. Momba ny raharaham-pirenena, nilaza ity Filohana Andrim-panjakana ity, fa fotoanan’ny fifanatonana izao fa tsy hifandrafesana, fotoanan’ny fifamelana sy fifankatiavana, ka izay rehetra mitady ny fisaraham-bazana dia tsy fotoan’izany intsony izao, hoy izy. « Tokony hatsahatra ny fifandrafesana, fa mifanatona an-databatra boribory, mila mifandray tànana hanarina ny firenena,... Ny fihavanana no tanjona satria kolontsaina tena mampiavaka antsika », hoy hatrany ny PAN. Tsara ny manamarika, fa ny herinandro lasa teo dia nandeha ny feo amin’ny mety hanonganana an-dRtoa Christine Razanamahasoa noho izay nosokajiana ho mitarika vovonana mpanohitra eo anatrehan’ny finiavana nananany niaraka tamin’ny FFKM nipetraka ho Raiamandreny hanalenelana hitondrana vahaolana eo anatrehan’ny krizy politika lalovan’ny Firenena. Hanao ahoana ny setriny eo anatrehan’ny antso avo nataony izay namaly an-kitsim-po ny tenany raha nasain’ireo haino aman-jery azo sokajiana ho aty amin’ny ankolafin’ny mpanohitra omaly alina iny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap