airtel

Politique

14-sept-2023

Filohan’ny antenimierandoholona

Nivory niaraka tamin’ireo kandida mpanohitra

Sample post image

Hita nivory niaraka tamin’ireo kandida mpanohitra ny firotsahan-kofidian’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina,

14-sept-2023

omaly ny filohan’ny antenimierandoholona, Herimanana Razafimahefa. Ity farany izay nambara fa nandà tsy handray ny toerana maha filoham-pirenena mpisolo toerana taorian’ny fahabangan’izay toeran’ny filoham-pirenena izay nanomboka ny 9 septambra teo. Ny kandida ho filoham-pirenena, Andry Rajoelina, moa nanazava fa tsy zakan’ity filohan’ny antenimieran-doholona ity ny mitarika filankevitry ny minisitra na governemanta. Tena izay tokoa ve? Andrasana moa ny antsipirian’ity fihaonan’ny filoha Herimanana Razafimahefa tamin’izy 10 mirahalahy omaly ity ary inoana fa hipoitra tsy ho ela ny tena marina amin’izao raharaha izao. Tsy nisy nipika hatry ny omaly ny resaka nifanaovany tamin’ireo kandida. Nisy kosa ny fanambarana an-taratasy nataony izay tsy dia hita taratra tao ny firesahany an’io. “Manoloana ny resabe iniana aparitaka amin'izao fotoana izao, dia raisiko adidy ny manao ity fanambarana manaraka ity: Ny datin'ny 08 Septambra 2023 dia nandefa taratasy teo anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana tokoa ny tenako nanambara fa tsy afaka hiantsoroka ny andraikitra maha-filoham-panjakana mpisolo toerana aho noho ny antony manokana. Tsy ilaina ny krizy politika sy ny fanakorontanana iniana volena eto amin'ny Firenena. Miantso ireo kandida sy ny mpanao politika Malagasy rehetra mba hijery ny tombontsoa ambonin'ny Firenena mandrakariva, hifantoka tanteraka amin'ny fifidianana fa tsy sanatria hamorona korontana, tsy hitondra voka-tsoa velively ho an'i Madagasikara. Miantso ny vahoaka Malagasy ihany koa mba ho tony mandrakariva ary tsy hiroroa saina fa hizotra am-pilaminana amin'izay fiatrehana ny fifidianana izay mba hamaritana izay hitondra ny firenentsika ao anatin'ny 5 taona manaraka indray”, hoy Atoa Herimanana Razafimahefa.
J. Mirija

 

 

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap