airtel

Politique

04-mars-2022

Politique

Filohan’ny HCC “Aza rebirebena i Madagasikara”

Sample post image

Naneho ny heviny momba ny toeran’i Madagasikara eo anatrehan’ny adihevitra iraisam-pirenena mikasika ny adin’i Russie sy Ukraine ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Atoa Florent Rakotoarisoa omaly.

04-mars-2022

 Nambaran’ity mpitsara ambony ity, fa na dia eo aza ny fangatahan’ny andaniny sy ny ankilany hanameloka ny atsy sy ny aroa, dia mazava ny tenin’ny Praiminisitra sy ny fampitam-baovaon’ny Fanjakana, naneho fa tsy fotoanan’izany izao ilazana hoe manameloka ny atsy na ny aroa. Mbola miatrika fahasahiranana noho ny safo-drano sy ny rivodoza ny firenena. Inona i Madagasikara kely ity no hitakiana an’izany? hoy io Filohana andrim-panjakana io. Nahitsy ary tsy nitsitsy fitenenana kosa anefa ny Filohan’ny HCC nampahatsiahy ny endrika tsy firaharahiana an’i Madagasikara teo anatrehan’ny tsindry nataon’ny firenena Frantsay na tsy notononony mivantana aza. Ny volana jona 2021 no nilazan’i Emmanuel Macron an’io izay tonga tatsy amin’ny nosy Glorieuses namoahany ilay teny hoe: “ici c’est la France”. “Raha nitsangana ny filohan’ny firenen-dehibe iray, nitsangana hoe: “ity tany ity dia anay”, misy miaramilany any, moa mba nisy nisy firenen-dehibe nanameloka izany? hoy Atoa Florent Rakotoarisoa. Niady ny hahazoana izany ny filoham-pirenena tany amin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tany New York, fa tsy nisy firenen-dehibe nanohana izany, hoy hatrany izy nampahatsiahy. Nahitsy noho izany io Filohana andrim-panjakana io nilaza fa aleo I Madagasikara kely ity hiatrika ny fampandrosoana fa tsy rebirebena amin’ny hoe: hanameloka ny atsy na ny aroa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap