fifidianana sy fampifandraisana ny OSC misehatra amin’ny fanarahamaso ny fifidianana ary ireo mpisehatra hafa. Taorian’ny dinika natao tao Antaninarenina ny nandritra ny 2 andro, izay nikaonan-doha mikasika ny toedraharaha mialohan’ny fifidianana ary ny fanaraha-maso ny fifidianana niaraka tamin’ireo mpisehatra samy hafa. Atrikasa tafiditra ao anatin’ny tetikasa PARTICIPE izay mikendry indrindra ny « fandraisan’anjara mavitriky ny olom-pirenena amin’ny zotram-pifidianana mangaraharaha kokoa, andraisan’ny daholobe anjara ary tsy mitanila eto Madagasikara » io, tontosaina sy vatsian’ny Friedrich-Ebert-Stiftung Madagascar vola miaraka amin’ny Vondrona Eoropeana. Taorian’ny dinika, naneho ny ahiahiny amin’izao fiandohan’ny taom-pifidianana izay ilàna fandraisan’andraikitra haingana mba handrosoana amin’ny zotram-pifidianana ao anaty fangaraharana anjakan’ny rariny sy ao anaty fitoniana ny OSC. Mampatsiahy fa ilaina ny havaozina ny lalàna mifehy ny fifidianana (LORGER) mandritra ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimiera, indrindra ny mikasika ny fangaraharana sy ny loharanom-bolan’ny kandida ary ny famerana ny fandaniambolan’izy ireo amin’ny karazam-pifidianana rehetra ary mba hananan’ny Vaomiera misahana ny fanarahamaso ny famatsiambolan’ny antoko politika (CCFVP) sy ireo rafitra mpanaramaso sy mpanafay fahefana feno mba hisian’ny fitovian-jon’ny kandida rehetra mandritra ny vanim-potoanan’ny fifidianana ary ihany koa ny tsy hisian’ny fitanilan’ny fitondram-panjakana. Tokony ho ny karapanondrom-pirenena fotsiny ihany dia ampy hananan’ny olompirenena ny zony handatsa-bato,... Miantso ireo mpisehatra tsara sitrapo rehetra mba hiarahisalahy ho fampanjariana ny fitaizana ny vahoaka mikasika ny raharaham-pifidianana ka hifanome tanana amin’ny fanaraha-maso ny biraom-pifidianana manerana ny nosy amin’ny androm-pifidianana izy ireo, ary manao antso avo mba hisian’ny fandraisan’anjara fenon’ny daholo be,… Mangataka ny fanajana ny datim-pifidianana rehetra ihany koa ny OSC.
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.