airtel

Politique

06-juil-2023

Politique

Firaisankinan'ny tia tanindrazana

Sample post image

Handia fotoan-tsarotra ny firenena ato ho ato, hoy ny praiminisitra, raha nandalo tao Morondava izy.

06-juil-2023

Ny ankamaroan'ireo fihariana na ny marimarina kokoa ireo orinasa malagasy mihitsy, na madinika io na salantsalany, eny, lehibe dia efa saika mikaikaika ho mandia izay fotoan-tsarotra izay avokoa. 5 taona lasa no efa nanomboka heno izany fitarainana izany saingy ankehitriny, hoy ireo mpisehatra sasany, dia vao mainka hila hampitomany. Saika milaza azy ho tratry ny fihenam-pamokarana avokoa ny sehatra misy, indrindra, ireo manana fiankinana betsaka amin'ity angovo avy amin'ny Jirama ity. Miha tara ny fandraisam-bolan'ireo mpiasa mbola afaka misitraka izany atao hoe asa izany. Miverina heno toy ny tamin'ny fotoanan'ny krizy ara-pahasalamana indray koa aza ny resaka fanenan'ny orinasa sasany ny karaman'ny mpiasany. Mirongatra, mazava ho azy, ny tsy fisian'asa. Mihena ny famokarana. Mitotongana ny toekarem-pirenena. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Hatramin'irony toerana fandraharaham-bola amin'ny alalan'ny finday na "cash point" irony aza efa mihorohoro andro aman'alina sao hisy hanafika ohatran'ny namany hafa indray. Mila fanavotana indray ny firenena! Mila ireo tena tia tanindrazana! Mila firaisankinan'ny tia tanindrazana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap