airtel

Politique

12-oct-2023

Firaisankinan’ny kandida

Efa taratry ny fampihavanam-pirenena

Sample post image

Teny Ankatso niazo an’Ambohipo indray ny diabe am-pilaminana notarihin’ny Firaisankinan’ny kandida omaly.

12-oct-2023

Vahoaka sesehena hatrany no resy lahatra sy manohana izany, ka na tao anatin’ny fotoana fohy ihany aza ny fiarahana noho ireo kandida mboka nihaona tamin’ny HCC, ka ireo solombavambahoaka no nanohy ny tolona, dia naneho ny fahafaham-pony sy faharesen-dahatra ny vahoaka. Nitsefotra ihany koa ny fikasana hanakorontana satria raha ny loharanom-baovao, dia efa nisy “gros bras” nomanin’ny sasany igafy sy hitora-bato teo Tsiadana, saingy nivadika tany Ambohipo ny diabe. Eo ny tolona ny tolona politika hoenti-manadio ny zotram-pifidianana eto Madagasikara, hametrahana ny Fanjakana tan-dalàna, hiarovana ny fiandrianam-pirenena,… fa azo lazaina ho efa endriky ny fampihavanam-pirenena ny Firaisankina asehon’ny kandida filoham-pirenena miisa 11 amin’izao fotoana izao. Tsy mitovy fijery sy firehana ara-politika ny ankamaroan’izy ireo, ary azo lazaina ho tena nifanipa-kevitra an-taonany maro aza, saingy mifandray tànana sy nampitovy fomba fijery noho ny zava-misy eto amin’ny firenena. Misy olona tena nifandrafy sy nifampanana lolom-po sy alahelo amin’ireo, fa tena nampandefitra izany sy lasa nifampiresaka tsara. Zava-dehibe ny fisian’ireo Filoham-pirenena teo aloha mirahalahy mianaka Atoa isany Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina mifampitantana eny an-kianja. Tao ny mpifaninana ara-politika niainga tamin’ny 2006 na talohan’izany aza tahaka an’I Marc Ravalomanana sy Roland Ratsiraka fa miray làlana ao anatin’ny tolona na mety tsy hitovy hevitra 100% aza satria politika rahateo no atao fa mba zava-dehibe ny mahita azy ireo miara-dia, na dia nanongana ny andaniny aza ny ankilany tao anatin’ny raharaha 2009, raha toa ka nitanisa hatrany ny nanagadrana azy ihany koa ny iray. Tahaka izany ihany ry Hajo Andrianainarivelo, Brunelle Razafitsiandraofa, Siteny Randrianasoloniaiko,… izay avy tany amin’ny elatra politika niaraka tamin’I Andry Rajoelina saingy tafaray aty amin’ny tolona iraisan’ny kandida. Saika mpifanandrina politika tao anatin’ny krizy nandalo teto amin’ny firenena tahaka ny 2002, 2009, 2018 ny ankamaroany ka tao ny mety naongana ary tao ny niongana, saingy miray feo ankehitriny fa misy zavatra mila amboarina eto amin’ny firenena. Samy manana ny vahoaka mpanara-dia azy ireo kandida 11, ary ampiraisin’ny tolona ho an’ny tanindrazana ihany koa ireo. Tsy resaka fifidianana ihany fa ny hoavy ara-politika, toekarena, sosialy eto Madagasikara no iankinan’ny tolona hisian’ny fanjakana tan-dalàna sy fifidianana madio satria rehefa filoha tena lany tamin’ny fifidianana madio dia hipetraka ho azy ny fahamarinan-toerana ara-politika hahafahana tena mifantoka amin’ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo vina sy fandaharan’asan’ny kandida.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap