Atsinanana ny sabotsy 2 septambra lasa teo i Tahina Razafinjoelina mpitarika ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana (FTT) . « Faly sy ravo nihaona taminareo Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana faritra Atsinanana. Zava-dehibe ny nihaino ny solontenan'ny tanora, ny vehivavy ary ny mpampianatra. Niaraha-nahatsapa fa ny fanabeazana tokoa no lalana ahafahana mampandroso an'i Madagasikara. Ny fanabeazana hatao hampahalala ireo harena misy aty Atsinanana izay faritra feno ala sy ireo harena an-kibon'ny tany maro. », hoy izy .Voatery natao in-droa miantaona ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra satria tena maro be ireo olona tonga ka tsy tafiditra ny trano efa nomanina. Manantena aho fa tsy maintsy mbola hihaona amin’ny vahoakan’i Toamasina hoy i Tahina Razafinjoelina .Tsikarika fa nahaliana tokoa ireo nanatrika ny famelabelaran-kevitra natao sy ny valiteny nomena manoloana ireo ahiahy sy hetahetan’ny tsirairay. Tsotra, Marina, Mahomby ny antsika , misy Vina, avadika fandaharanasa ary tonga dia misy asa azo tsapain-tanana hoy ny mpitarika ny Firainsankinan’ny Tia Tanindrazana izay anisan’ny kandida amin’ny fifidianana Filoham-pirenena moa. Tsapa fa manana zavatra matotra ingahirainy ary hita fa efa nahavita be tamin’ny asa nataony hatrizay ary mbola atokisana fa hahavita mismisy kokoa any aoriana , hoy ireo mpanatrika.
IVON-TOERAM-PIOFANANA NOMERIKA
Fa mialohan’io, tahaka ny tany Fianarantsoa, Ambositra, fandriana, Antsirabe dia nihaona tamin’ireo mpiara-dia aminy tao Ao Anjoma, izay misy ny ivon-toeram-piofanana nomerika ho an’ny FTT Toamasina i Tahina Razafinjoelina ny zoma 1 septambra. Misy solosaina maro izy ity ary mandray ireo tanora sy izay rehetra liana ka maniry hanovo fahalalana ary hifampizara ny vaovao sy ny tsara ho fantatra rehetra momba ny vovonana. Raha nihaona tamin’ny mpanao gazety tany an-toerana ny tenany dia nanamarika fa tsy asiana intsony izany "projet présidentiel" izany. Ny fanohizana ny fanatanterahana ireo vina no imasoantsika hampandrosoana ny isam-paritra avy , hoy izy. Tokony ho ampy hampandrosoana ny faritra ny tetibolam-panjakana misy amin’izao fotoana fa ilay fitsinjarana no mila atao matotra tsara.
Nangonin’i RTT
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby