airtel

Politique

28-août-2023

Politique

FISEMARE sy ny fifidianana filoha Manohana vina fa tsy manohana olona

Sample post image

Nahavelom-bolo, hoy ny FISEMARE na Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera, ny firaisankinanay sendika tamin’ny alalan’ny FSMM ny zoma teo teny Ankatso.

28-août-2023

Samy nahatsapa na ny sehatra miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana fa voahosihosy ny zony, indrindra, zo sendikaly. Ny zo sendikaly moa dia iantohan’ny lalàmpanorenana, hoy ny sekretera jeneralin’ity sendika ity, Mananandro Jean Raphael. Hamafisin’ny fifanarahana iraisampirenena nankatoavin’i Madagasikara izany. Rehefa voahitsakitsaka ny zo sendikaly dia tsy mahagaga raha mikorontana na tsy mandry fahalemana ny tontolon’ny asa eto Madagasikara. Hankalaza ny 1 may fotsiny izao ny sendika farany teo dia narirarira. Raha ny tokony ho izy anefa dia fampahafantarana fa tsy fakana alalana no tokony ataon’ny sendika. Rehefa mbola voahosihosy io, tsy malalaka ny fanehoan-kevitra, ampitahorina raha ohatra miafara amin’ny fitokonana izay zo sy hery lehibe ahafahana manery mpitondra na manery mpampiasa iray dia tsy handeha. Fantantsika ireny zava-misy eto amintsika ireny, raha tsy hilaza afa-tsy ny eo amin’ny mpiasam-panjakana, dia ao anaty birao hivorian-drizalahy no hanamborana azy. Ireny fitokonan’ny mpitsirika asa na “inspecteur de travail” sy mpiraki-draharaha ireny, hitantsika no niafarany. Notapahana ny karamany, nampihorohoroana. Ny mahazo ny sehatra tsy miankina no tena mafy. Manomboka amin’ny fananganana sendika eny ifotony dia efa misy sakatsakana. Hatramin’ny fandroahana tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna, indrindra, fanagadrana, famadihana ny tolona na raharaha sosialy ho ady heloka. Ny andrasanay amin’izay hitondra eo dia ny fametrahana tanteraka ny sendika amin’ny toerana misy azy, izany hoe, malalaka amin’ny fanehoan-kevitra, ny fanaovany ny asany. Faharoa ny fijerena ny orinasa izay tena tsy manara-dalàna eto amin’ny tany sy firenena mba hatao manara-dalàna. Fahatelo ny fametrahana asa mendrika, maharitra, karama mahavelona. hofan-trano fotsiny amin’izao no efa misy 300.000 Ariary nefa ny karama farany ambany 250.000 Ariary. Ahoana izany ny sakafo, ny sara-pianaran’ny mpianatra, ny saran-dalana, ny JIRAMA sy ny rehetra? Tsy manohana kandida ho filoham-pirenena ny FISEMARE fa manohana vina maharesy lahatra azy sy tena azo tanterahana. Tsy olona no fidiana fa ny vinany, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija
Légende: Mananandro Jean Raphael

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap