airtel

Politique

12-mars-2026

Fitadiavana Praiminisitra vaovao

Nanolo-kevitra hanendrena

Sample post image

an’i Tahina R. sy ny Laza R. ny GEN XYZ,…

12-mars-2026

Manomboka manao ranolava ny fanambarana samihafa mikasika ny toe-draharaham-pirenena, indrindra eo anatrehan’ny fanendrena Praiminisitra sy fanovana governemanta. Nanao fanambarana omaly ireo tanora milaza fa anatin’ny Vondrona tanora mpitolona maro, ahitana ny Vondron’ny mpitolona 53 entités, KOTAFA, GEN Y Madagascar Ofisialy, GEN Z Atsimondrano ofisialy, GEN Y manerana ny Faritany 6, FTMF, Arofanina Avaradrano, IM, VMH, Gasy Iray Vina, Platforme ZXY Malagasy, FVFM, MPFM, OSC Fanovana Ifotony, Gasy MRV, Gasy 3M, Gen Z Alasora, ONG Hanta, RNR, GEN CENTEMAD, Plateforme des jeunes Besalampy, ADJDM, FMV, KOTAFA,… «Milaza fa tsy hamela irery ny Filoham-panjakana, mankahery amin’ny karazana fanenjehana sy fanaratsiana miely sy ezahan’ireo mpankahala ahely eraky ny tambajotran-tserasera,... Mikasika ny fananganana governemanta vaovao, nilaza izy ireo fa tsy mibaiko sanatria fa te hanampy ny Filoham-panjakana hivoahana ao anatin’ny krizy. Nanolotra anaran’olona 2 izay irian’izy ireo mba hotendrena ho Praiminisitra ireto Fikambanana ireto dia Atoa Tahina Razafinjoelina sy Atoa Laza Razafiarison. « Tsy hanolo-bato mafana, ary manome toky fa mpanabe sy teknisianina tsy niray petsapetsa tamin’ireo mpitondra teo aloha ireo olona atolotray ireo, ary olona nitolona sy mahatsapa ny halehibe sy soatoavin’ny tolona », hoy ireto Fikambanana ireto. ERfa nilaza moa i Laza Razafiarison tany aloha fa tsy hanao Praiminisitra izany, ary nilaza fa tsy misy olana mivaha izany eo raha tsy manova rafitra. Ny aty aoriana no tsy fantatra ! Tsy mbola nitondra setriny manoloana an’io kosa i Tahina Razafinjoelina hatreto. Any amin’ny Filoham-panjakana no teny farany amin’ny fanendrena izay ho Praiminisitra izay tena toerana stratejika be, ary tsy mora ny miandry izay ho lehiben’ny mpanatanteraka sy ny governemanta hotarihiny eo anatrehan’ny fanamby goavana miandry an’i Madagasikara amin’ny famahana ireo olona samihafa : politika, toekarena, sosialy, diplaomasia, fanabeaana,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
05-juin-2026

mandroso any amin’ny fanavaozana»

Card image cap
04-juin-2026

Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana

Card image cap
04-juin-2026

Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »

Card image cap