fitsaboana sy fikarakarana ny zokiolona na "soins et assistance aux personnes âgées". Niahy sy niara-nisalahy tamin’ny fikarakarana izany ny Depiote Todisoa Andriamampandry niaraka tamin'ny Fikambanana Ny Andraina sy ny “Team Bien-Être”, tao amin'ny Kianjan'i Todisoa Ambatolampy Ambohimanarina ny faran’ny herinandro teo. Nanatrika sy nanampy ary nitondra hafatra ho an'ireo mpiofana ity farany ny sabotsy teo, ary nanamafy ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa ho an’ny tombotsoa ara-tsosialin’ny mponina. “Misaotra indrindra anareo 57 miandahy mianaka nahavita ny fampiofonana. Misaotra anareo nahatoky ny Ny Andraina Association sy Team-Bien Être. Raha ny hafatra dia hoe: Tsy mora ny asa miandry antsika fa ny tsy fitandrema dia mampitera doza koa samia malina amin'ny fikarakarana. Aza miantehitra amin'iza na amin'iza eo amin'ny fiainana fa tompon’andraikitra eo amin'ny tenanao ianao ka mahaiza mampihatra ny talenta sy fahalalana ao aminao hampivelatra ny tenanao sy ny manodidina anao. Mankasitraka indrindra ny Ny Andraina Associations miara-miasa akaiky amin'ny Team Bien-Être ho fanohanana ny tanora amin'ny fampiroboroboana ny sehatry arak’asa”, hoy kosa ny Team Bien-Être. Marihina fa miara-misalahy matetika amin’ny Depiote Todisoa Andriamampandry ireo Fikambanana ireo amin’ny resaka asa sosialy hoenti-mampivoatra ny fiarahamonina. Anisan’ireny ny fampianarana sy fanofanana ny teny Anglisy maimaimpoana ho an’ny tanora, izay iarahana misalahy amin’ny Association Andraina.
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.