airtel

Politique

23-août-2023

Fitakiana fahafahana sy fahalalahana

Kandida maro hamoaka fanambarana iraisana

Sample post image

Na efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana aza isika, dia mbola tsy milamina ny fitsipi-dalao ara-politika.

23-août-2023

Mbola betsaka ny ahiahy politika, indrindra eo anatrehan’ny fihetsiky ny fitondrana ankehitriny. Maro ny endrika fanohintohinana sy fanembatsembanana ara-politika, fandikan-dalàna amin’ny endriny maro ataon’ny mpitondra am-perinasa. Ny herinandro lasa teo, efa nisy ny fanambarana niraisana miantefa amin’ny Fiakaviam-be iraisam-pirenena sy ireo mpisehatra ara-pifidianana nataon’ireo Antoko sy vovonana politika lehibe miisa 5 nahitana ny FTT, MTS, HVM, MMM, ary ny Tsara Tahafina, nentin’izy ireo namotsipotsirana ireo toe-javatra mampiahiahy. Isan’ny nangatahana tao anatin’izany ny fahafahana miditra amin’ny Rejisi-pifidianana nasionaly mba hisian’ny fifidianana malalaka, mangaraharaha,… Na nisy aza ny fampanantenan’ny CENI ny hampita ny regisipi-pifidianana, dia nisy ny fampiatoana izany, ka nambaran’ireto antoko sy vovonana ireto fa miteraka sakana ny fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana 2023. Ankoatra ny lisitra, dia nangatahan’izy ireo ihany koa ny hamoahana amin’ny antsipirihiny ny “cartographie” na ny fitsinjaran’ny birao fandatsaham-bato rehetra manerana ny Nosy, araka ny andininy faha-125 amin’ny lalàna fehizoro 2018-008. Mitaky fangaraharana sy fitovian-tànana eo anatrehan’ny raharaham-pifidiana izy ireo, indrindra fa ao anatin’izao zava-misy sy ahiahy maro samihafa izao, toy ny resaka birao fandatsaham-bato matoatoa,... Naneho fa manohitra ny mety ho fisiana tetika hafahafa sy tsy fanajana lalàna ataon’ny CENI, ary miantso fanaraha-maso sy fahamailoana mba hisian’ny zotram-pifidianana madio. Niantso fangaraharana feno ihany koa mikasika ny tetikasa RPDEM (Renforcement des Processus Electoraux et Democratiques à Madagascar).
HITAKY FAHAFAHANA…
Hisy ny fanambarana iraisana hataona kandida sy vovonana maro anio mba hanamafisana ny fanamelohana sy fanoherana ny sakantsakana sy fampihorohoroana ara-politika miseho amin’ny endriny maro ary mifototra amin’ny hoe: “ho an’ny fahafahan’ny Malagasy” sy mahakasika ny “fiandrianam-pirenen’I Madagasikara”, raha ny loharanom-baovao. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fitakiana hanafoanana ny antsojay, ka hisian’ny fahafahana sy fahalalana ara-politika ho an’ny rehetra satria ny antokon’ny fitondrana afaka manao izay tiany hatao. Anisan’ny tetika politika mandeha ihany koa amin’izao fotoana izao ny fanasarotana ny fahafahan’ny kandida mampiditra ny fitaovana hoenti-miatrika ny fampielezan-kevitra tahaka ny angidim-by. Raha ny fepetra vaovao dia tsy maintsy halefa 2 volana mialoha ny “immatriculation” sy ny anaran’ny mpanamory, izay sarotra ao anatin’ny fifampiraharahana amin’ny mpampanofa izany, izay toa lasa endrika antsojay,… ka manana fahasarotana ny ankamaroan’ny kandida.
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap