airtel

Politique

22-févr-2023

Politique

Fitakiana fanalana minisitra Tsy nisy nihaino i Rossy sy Raholdina

Sample post image

Na teo aza ny antsoantson’ireo depiote IRD sasany tahaka an-dry Paul Bert Rahasimanana na Rossy sy ry Naivo Raholdina mba hanalana minisitra sasany tondroin’izy ireo ho manaratsy endrika ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina,

22-févr-2023

dia voatsipaka am-bavafo izy ireo raha tarafina amin’ilay endri-panovana. Ny depiote sady mpanakanto Rossy, ohatra, dia hatry ny ela no niantso ny hanesorana ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Ny 24 janoary teo aza ny tenany, dia nitarika ireo mpanakanto namany nirotsaka an-dalambe nakeny amin’ny Minisitera Anosy nitaky ny fanalana io Minisitra io. Nametra-panontaniana mihitsy ny amin’ny antony tsy hahasahian’ny Filoha Andry Rajoelina manala an’ity Ministry ny Kolontsaina ity izay ambarany fa efa mampitaraina ny rehetra. Niantso an’i Lalatiana Rakotondrazafy hirotsaka ho fidiana eto Antananarivo hifaninana aminy i Rossy mihitsy. Ny 07 febroary dia mbola nitondra hafatra ho an-dRajoelina hoe: “Hongoty izay manelingelina anao fa mampimenomenona vahoaka, esory tao. Izahay tokony hiaro ahilakilaka, ialahy tsy nitolona tsy naninona fa manao “selfie” erak’I Madagasikara, tsy miakatra “antenne” ialahy miaro azy, izahay tsy avelan’ialahy hiaro azy fa alefan’ialahy any amin’ny mpanohitra, hoy izy”. Tamin’izany ihany koa nanaovany antso hoe: aza sakantsakanana intsony ny fihetsiketsehana. Nandeha ny fanovana ny governemanta, saingy tsy nihontsona ny olona notakian-dry Rossy ny fanesorana azy. Nanangana saina fotsy ity depiote ity taorian’ny fivoahan’ny fikitihana governemanta ka asa hoe: fifandrifian-javatra sa noho ny tsy fahafaham-po? Isan’ny depiote nanitrikitrika sy nitaky fanesorana ny minisitra sasany I Naivo Raholdina, ka anisan’ny notsikerainy mafy ny Minisitry ny rano Fidiniavo Ravokatra sy ny Minisitry ny mponina Princia Soafilira. “Rehefa tsy nahavita azy tao aminy “Mines” izy ,very ny volamena dia ny volamenanay tsy manan-tsiny avy taminy dada mamirapiratra no mahazo tsiny ,peratra mariazinay no mahazo tsiny . Ny tokony ho izy rehefa tsy mahavita tary izy dia tokony noesorina , TGV betsaka mpanohana, izao ny rano tapaka foana, rano maloto”, hoy I Naivo Raholdina ny 18 janoary teo. Isan’ny nokianiny mafy ihany koa ny Minisitry ny mponina fa tsy mahavita azy matoa ny Filoham-pirenena no miditra an-tsehatra amin’ny sosialy. Omaly, nanamafy fa misy minisitra 3 na 4 mbola tokony hesorina. Mba mihaino an-dry zalahy ve ny Filoha izay tohanany mafy
? Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap