ny handraisana fepetra hentitra manoloana ny ambara fa fikasana hanao fanakorontanana sy fihetsiketsehana mandritra ny fivahinianan’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron sy ny fanatanterahana ny Fihaonamben’ny Vaomieran’ny Ranomasina Indianina na ny COI, ny 23-24 aprily. Notaterin’ny fampahalalam-baovao akaiky ny fitondrana omaly, fa tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra ka hosamborina avy hatrany ireo ambara fa mieritreritra hanakorontana. Tsy maintsy angatahana alalana ny fihetsiketsehana kasaina atao amin’ny andron’ny 23-24 aprily 2025, saingy voalaza fa tsy mbola nisy nanao an’izay teny anivon’ny Prefektiora.
AMPANGAINA NY MPANOHITRA ?
Voizina ny hoe misy fikasana hanao herisetra amin’ny Filoha Frantsay, ka nilazana fa maha voasambotra ny fitorahana sy fanompana ity Filoha vahiny ity. Lazaina fa mandeha ny fiantsoana ny olona hitokona sy hilanja sora-baventy. Nambara fa miantso fivoizana fanakorontanana sy fitorahana an’i Emmanuel Macron ny mpanohitra, ka isan’ny tondroina ho atidohan’izany i Fanirisoa Ernaivo, izay mialokaloka ara-politika any France. Niezaka nisintona an’io ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy, ka nilazany hoe : « nanao fanambarana mampiadihevitra tao amin'ny Facebook i Fanirisoa Ernaivo, mpitsara teo aloha sady mpanohitra ankehitriny monina an-tsesitany. Tao anatin’izany, dia nanentana ireo mpanohitra izy mba "hitora-bato ny kôrtezy misy an’i Macron sy Rajoelina" mandritra ny fandalovan’ny filohan’i Frantsa eto Madagasikara. Fanentanana mazava ho amin’ny herisetra izany, ka tsy ny filohan’i Madagasikara ihany no lasibatra, fa indrindra koa ny filohan’ny firenena izay nandray azy ho sesitany ara-politika ». Tsapany angamba taty aoriana fa nanao hadisoana lehibe izy, ka nanaisotra haingana ilay lahatsoratra, sady nilaza avy hatrany fa "fako" na "hosoka" izany. Saingy sarotra inoana izany filazana izany, hoy i Lalatiana Rakotondrazafy izay namoaka ny « capture » an’ilay nambara fa zavatra nataon’i Fanirisoa Ernaivo tamin’ny kaonty misy ny antsoina hoe : « badge bleu » izany hoe kaonty voamarin’ny « meta verified ». Andaniny, notondroin’i Fanirisoa Ernaivo ho zavatra namboamboarina ilay « capture » izay aty Afrika ny famantarana ny glaoby, raha sarin’i Eoropa kosa raha avy any no manao Eoropa tokoa no manao azy, ka nilazany fa afa-baraka ny andaniny izay nieritreritra ho galy fantsy. Mandeha ny ady ara-tserasera, mifamatotra amin’ny mety ho pimaso ara-diplaomatika hahafahana mampody ireo mpitsoa-ponenana ara-politika,…
FANAO NY FILANJANA SORA-BAVENTY
Andaniny, fahita ary fanao amin’ny fihaonana diplaomatika sy jeopolitika lehibe tahaka izao ny fanehoan-kevitra milamina toy ny filanjana sora-baventy, toy ny nitranga nandritra ny fanelanana tamin’ny krizy 2009 teto amintsika. Lojika ary tokony ho azo atao ny milanja sora-baventy toy ny fanehoana fitakiana amin’i Lafrantsa ny Iles Eparses, saingy adika ho fanakorontanana, ary ny fandrahonana no mandeha aloha. Mafampana ny fisamborana sy fanagadrana na amin’ireo toe-draharaha hafa ivelan’ny dian’i Macron sy ny COI aza, toy ny fisian’ireo mpanohitra ny Base Toliara 4 nadoboka am-ponja, ireo olona 3 nambara fa nitarika fihetsiketsehana tany Vatomandry,… Mbola tany demokratika sa efa maka endrika Korea Avaratra na Chine ?
Toky R
Raikitra indray ny fanamboarana serasera sy fanehoana fa tena akaikin’ny vahoakan’ny Fitondrana Rajoelina.
Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.
Toy izao ny fomba nialan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao amin’ny Toby tamin’ny
Hanao filankevitry ny Minisitra mitety faritra indray ny Fanjakana Rajoelina amin’ity anio alarobia 13 mey 2025 ity,
Tsy any amin’ny hoe harena tokony ho trandrahana loatra ny Base Toliara
Ny « Directeur de la Police Judiciare » na DPJ eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Colonel Tahiana Ravelomanana