tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Fitantanan-dRajoelina 2019-2023 Iza no sahy miteny fa nandroso i Madagasikara ?

Rehefa mandinika ny fitantanan’izao fitondran’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, izao dia tsy hay ny tsy ho lasa saina sy ho latsa-bava hoe sahy izay miteny fa nandroso i Madagasikara tato anatin’izay 4 taona izay.

10-mars-2023

Sample post image

Iza tokoa moa izany no sahy hiteny fa nandroso i Madagasikara tao anatin’ny taona 2019-2023? Ny matetika fanehoan-kevitra heno amin’ireo mpanohana ny fitondram-panjakana ankehitriny dia ny hoe manohana ny filoham-pirenena amin’ireo asa fampandrosoana tarihiny na teo aza ny nafitsoky ny COVID sy ny ady tany Okrainina. Ireo foana moa izany no nolazaina fa nanakana ny fampandrosoana ankoaty ny mpanohitra na dia maro aza ireo mpamakafaka miaiky fa tsy misy mpanohitra eto na misy ihany fa malemy tsy toa izao fitondrana izao tamin’izy ireo teo amin’ny toeran’izay mpanohitra izay. Ny firenena maro efa saika tafarina daholo taorian’ny olana naterak’izay krizy iraisampirenena voalaza teo izay ary mazava fa firenena miisa 5 ihany isika izao ankehitriny no tena latsaka anaty fahantrana. Tsy mety tafala ao anatin’ireo I Madagasikara, izay sady tsy misy ady an-trano no tsy hoe lasibatry nyloza voajanahary mahery vaika isan-taona ; saingy ny mpitondra sy ny mpiaradia aminy anefa manoloana izany mbola mahita fialana bala foana. Ny ben’ny tananan’ny renivohitr’ilay firenena nirehareha fa hitsotsotra mihitsy ny tenany hampandroso an’ity Antananarivo tananantsika ity satria efa mitovy loko izao ny mpitantana ny tananan’Antananarivo sy ny fanjakana foibe. Ny hita miharihary anefa dia tsy mety mazava hatramin’izao ny fampiasam-bola eo anivon’ilay kaominina sy ireo rafitra azo lazaina hoe naorina tato anatin’izao fitantanana izao toy ny SMGD sy SMA. Tsy misy mpaka ny fako. Feno lavaka ny arabe. Potika Antananarivo. Potika koa anefa ny lalana manerana ny nosy. Mbola manjaka ny tsy fandriampahalemana. Hatramina olona nahavita nanapa-dohan’olon-kafa sahy mampiranty ny habibiana vitany eny amin’ny tambazotran-tserasera. Ny vidim-piainana midangana efa ho isan’alina. Tsy mila miatdy fanazavana hafa fa tena tsy fahaiza-mitantana tsotra izao sy tsy fahaizana mametraka ny tena laharampahamehana no fototry ny fahavoazana e !
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus