airtel

Politique

15-juin-2022

Politique

Fitantanan-dRajoelina Potika avokoa ireo orinasam-panjakana

Sample post image

Lesoka tany aloha ny resaka “privatisation” na fanomezana sy famarotana ho an’ny tsy miankina ny orinasam-panjakana. Ankehitriny, misy ihany ny fivoizana an’io,

15-juin-2022

toa tetika hibakoana hahazoana mora ny orinasam-panjakana. Sanatria toa iniana potehina sy akorontana na robaina mba hahazoana azy mora. Io iaraha-mahita io, ohatra, ny Air Madagascar izay potika sy rava ary raikitra ny fifanomezan-tsiny sy fifanamelohana eo amin’ny samy tompon’andraikitra ambony. Ny Minisitry ny fitaterana, ohatra, dia sahy nilaza mihitsy fa nisy ny tetika hividianana mora ny Kaompania Nasionaly, ary nilaza fa hamongotra ny tontakely. Ny andaniny dia ny filoha lefitry ny filankevi-pitantanana mampahatsiahy sy miapanga fa ny minisitra ankehitriny fony izy teo amin’io toerana io tany amin’ny tetezamita no nanafaingana ny fahapotehan’ny kaompania, raha tsy hilaza afatsy ireo fiaramanidina maty kapoka tamin’izany. Mifanilikilika sy mifandrahona eo ka dia asa izay hiafaran’ny raharaha Ranjatoelina sy Rakotomanga izay samy mirehareha ho akaiky ny Filoham-pirenena. Io ihany koa CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) izay toa rovitina ny kitapom-bolany, tsiriritina ny vola ao aminy ka ny mpitondra nilaza fa niomana 5 taona sy nilaza tamin’ny mpifidy fa efa vonona ny mpamatsy vola aza moa ny volan’ny CNaPS no lazaina fa azo alaina fa hanaovana “Building”. Toa samy maka ao izay mihevi-tena fa manana ny fahefana tsy refesi-mandidy. Tonga hatramin’ny hoe ben’ny tanàna sy ny kaominina tonga mindrana 11 miliara amin’ny CNaPS, izao ny volan’ny mpiasa latsakemboka hanomanana ny fisotroan-dronona ao ihany no tadiavin’ny Fanjakana halefa any amin’ny fampisondrotan-karama ka lazainy fa izy no hameno azy avy eo. Tena azo inoana sy azo antoka ho tanteraka ve Ny Jirama moa io, dia tena mampalahelo, mitolefika tanteraka. Sanatria toa iniana sahiranina sy potehina ve mba hividianana azy mora ihany koa avy eo Efa hatrany amin’ny tetezamita no nafana ny dosie maloto mikasika mpitantana, toy ny resaka milina efa maty kapoka,… Izay orinasam-panjakana misimisy vola toa tiana halaina sy hononoana hakana vola hatrany, hany ka miha mikorosy fahana sy tena vizana ny ankamaroany.

Toky R 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap