airtel

Politique

31-janv-2023

Politique

Fitantanana andrakandrana Tena nataon-dry Rajoelina “cobaye” ny firenena

Sample post image

Mitohy sy voaporofo andro aman’alina amin’ny fomba fiasa sy ny fanapahan-kevitra hoenti-mitantana ny firenena ny tsy fahaiza-mitantan’ny Fanjakana Rajoelina.

31-janv-2023

Miharihary fa tsy manana vina sy programan’asa mazava hitondrana an’I Madagasikara fa mainka fotsiny haka fahefana, ary niaina tamin’ny andrakandrana. Na mety nanana vina sy programan’asa ihany fa poakaty, hany ka miovaova manaraka ny tsio-drivotra misy eto amin’ny firenena ny fitantanana, fa tsy misy tanjona mazava hoe: avy aiza isika ka ho aiza? Lojika raha vao mainka mihemotra I Madagasikara, ary lasa sorona noho ny tsy fahaiza-mitantana ny vahoaka. Niainga tamin’ny hoe: programan’asa IEM (Initiative Emergence Madagascar), izay nilazana fa efa niomana 4 taona, ary ny hahatongavana eo no ela, efa vonona ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola, tsy mila findramam-bola avy any amin’ny mpamatsy vola mahazatra fa mampahantra, ny tsy vitan’ny mpitondra nandritra ny 60 taona hatao 5 taona,… Tsy hita izay niafaran’ilay IEM dia nipoitra indray ny hoe: “Plan Marshall” nitanisana izao zava-drehetra izao: fanarenana ny toekarena, fananganana fotodrafitrasa, famoron’asa,… Nalaza ilay sora-bola 1043 miliara nolazain’ny Filoha fa haompana amin’io saingy inona ny vokatra? Tonga hatrany amin’ny hoe: hanangana orinasa mpanamboatra fiarakodia vita Malagasy isika, tamin’izany no efa nambara fa hatao ny “Pipeline” any Atsimo, flyover, RN13,… Nolazaina indray avy eo ny PEM (Plan Emergence Madagascar) izay roa taona latsaka taorian’ny hampahafantarana azy ofisialy, vao nisy nisy ilay “Forum national des investissements pour l’Emergence de Madagascar) ny oktobra 2022. Niverenana notanisaina ireo programan’asa sy fanamboarana fotodrafitrasa maro dia maro, nolazaina fa misy ny hatomboka, misy ny fanohizana ny efa natomboka, tao ny fampantenana samihafa fa ho vita 2027-2028, tao ny hoe: ho vita afaka 2 na 3 taona,… Gaga sy talanjona indray ny rehetra avy eo, raha naheno ny Filoham-pirenena nilaza ny sabotsy 28 janoary 2023, fa hanao “plan social”, nanome toromarika ny minisitra hoe: ajanony ny fotodrafitrasa, andao isika hidina manerana ny Nosy, hanampy ny vahoaka, hitsinjo ny vahoaka amin’ny zavatra maika. Efa nifanaraka tamin’izany ve ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana sa izany izao no mety hahomby hakana indray ny fon’ny vahoaka diso fanantenana sy leo fitantanana tsy manjary ?
TSY MISY VOLA KA NY VONJY AINA SISA ?
Nandany lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ve ny depiote: hoe hajanona ny PIP (Programme d’Investissement Publique) manomboka febroary? hoy ny mpandinika politika sy raharaham-pirenena Laza Razafiarison. “Mba hazavao aminy ihany ry mpanolontsaina fa tsy afaka manao “transfert”, “virement”, “amenagement de credit” ohatr’izany fa voadona daholo ny sehatra rehetra miankina amin’ny PIP, mikorontana daholo ny “engagement”, “mandatement”, “exécution budgetaire”. Tokony ho tsorina fotsiny hoe mandalo krizy isika fa tsy misy mamatsy vola afatsy ny resaka vonjy aina sisa ka tsy maintsy manao “coupe budgétaire””, hoy io mpandinika io. Matoa aloha misy zavatra asaina ampandeferina na ampiandrasina, dia mazava izany fa tsy ampy ny hoenti-manana ara-bola ka tsy maintsy misy ampadeferina. Mety olana hatrany am-piandohana ny fisafidianana ny laharam-pahamehana, ka efa lany natontona tany amin’ny zavatra tsy mamokatra ny vola, izay vao mikorapaka aty aoriana. Ny mpamatsy vola tsy mahatoky antsika firy noho ny fitantanana tsy nilamina tao anatin’izay 4 taona izay. Tsy mbola resy ny Malagasy fa afaka mandinika sy mamadika pejy amin’izay .
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap