airtel

Politique

23-mars-2023

Politique

Fitantanana kaominina Isan’ny olana ny ara-bola

Sample post image

Isan’ny olana sedraina eny anivon’ny kaominina ny olana ara-bola, hoy ny ben’ny tanànan’ny kaominin’Anosizato sady filohan’ireo fikambanan’ny ben’ny tanàna vehivavy, Andriambololona Laurence.

23-mars-2023

Miankina amin’ny kaominina tsirairay io, hoy izy. Efa nampitomboina 30 tapitrisa Ariary izao ny famatsiana avy amin’ny fanjakana hahafahan’ny kaominina miasa. Isaorana ny fanjakana nanondrotra izany ho avo 2 heny satria 15 tapitrisa Ariary izany teo aloha. Ho an’ny ben’ny tanana vehivavy dia mbola tsy nisy hatreto ny hoe tsy nahaloa karaman’ny mpiasa. Tsy maintsy misy ny indro kely amin’ny fitantanana, na izany aza, satria eto amintsika moa tsy misy hoe sekoly ho an’ny ben’ny tanana. Olana sedraina ao anatin’izao rotsak’orana izao, ohatra, ny fahatapahan-dalana sy fahasimbana fotodrafitrasa isan-karazany izay tsy ampy ny tetibola hanatanterahana izany eo anivon’ny kaominina, hoy hatrany ny tenany. Miisa 94 moa ireo ben’ny tanana vehivavy mikambana anaty fikambanan’ny ben’ny tanàna vehivavy eto Madagasikara, hoy kosa ny fanamarihany.
J. Mirija
Legende: Ny ben’ny tanànan’Anosizato

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap