airtel

Politique

20-août-2021

Politique

Fitantanana mikorontana Voadidina mampijabaka ny Filoha ?

Sample post image

Mitohy foana ny fanontsanana, fanalam-baraka, ampamoaka, fanaratsiana an’ireo minisitra vaovao. Misavoritaka tanteraka ilay Fanjakana. Misy dosie sy vaovao tena tena mitsatotsatoka sy tsara petrapetraka mihitsy.

20-août-2021

 Tsy mpanohitra ao anatin’ny RMDM no manao azy na TIM, fa olona mahalala tsara ny ao anaty fitondrana, olona manana fahefana sy fitaovana ary afaka mampiasa olona hanao kaonty fako be dia be hanao fanaratsiana. Mazava be izany fa mbola ao anaty fitondrana ao ary amina sehatra ambonimbony mihitsy ireo mpamosavy malemy. Raha miverina any amin’ilay resaka famonoana Filoha sy fikasana fanakorontanana na fanonganam-panjakana, dia saika olona tao anaty Fitondrana sy akaiky ny Filoha no voasaringotra. Misy olona te hanjakazaka, te hitondra ny baolina, ka manao ranon’Ikopa tonga namana vao mavomavo ny sasany satria matahotra ny ho voakitikitika ny tombotsoa. Miha hita taratra hatrany taorian’ny fanendrena ilay governemanta ny ady an-trano. Mety misy olona voakitikitika tombotsoa tao anaty satria hita taratra foana hatramin’izay ny resaka “quota” hoe iza no mety ho olona natolotr’iza ao anaty governemanta? Ny tombotsoan’iza no voakitikitika tamin’ny fanovana? Manomboka misy te hisongona I Andry Rajoelina sy te hanjakazaka samirery, betsaka ny mpamosavy malemy manodidina,… Tanjon'ireo ny hampitokana-monina ny Filoha ka tsy hahita izay ho raisina hatao saribakoly eo sisa, fa ry zareo no manao izay tian-dry zareo eo. Toa mijabaka foana ny Filoha ary toa misy tsy fahamatorana lehibe miseho hatrany. Tsy vitana olona iray ny mitondra firenena, ary eo no mikaonty be ny hoe: tena namana vonona hifanome tànana ve ireo mpiara-miasa omena fitokisana sa mpandefona ivoho? Misy tsy fahamatorana na fampijabahana. Olona hotendrena minisitra ve dia tsy mba efa nodihadiana tsara sa dia mety tena nasaina nanasonia fotsiny no asan’ny Filoha? Manana ny maha izy azy ny Filoha ary sanatria manamaivana azy, fa na izany ihany koa aza efa Tale Jeneralina orinasa, ben’ny tanàna, filohana tetezamita ve dia tsy mba manana “réflèxe” rehefa hampiditra mpiasa, miresaka amin’ilay mpiasa eo hoe mety ity sa mampanahy sa tena tsy azo antoka.
MBOLA MANDEHA NY “APOLLO 21” ?
Raha tarafina amin’ny zava-misy, azo heverina ho mbola mandeha ilay drafitra « Apollo », fanakorontanana ilay fanjakana, izay miainga ao anatiny. Inona moa no tsy namoahana ny anaran’ilay hoe mpanao politika ambony tafiditra ao anatin’ny Apollo hatramin’izao, kanefa ny Ray aman-dReny am-panahy iray aza nataon’ny fampahalalam-baovao mpanohana fitondrana tsakin’ady hany ka niditra an-tsehatra hatramin’ny Fiangonana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap