airtel

Politique

05-mai-2022

Politique

Fitantanana mivaralila Madagasikara mihitsy no efa voaolana

Sample post image

Raha raisina sy ampitahaina amin’ny herisetra sy fanimbazimbana mety mahazo ny olombelona ny mahazo ny firenena, dia metsy masiatsiatsika ilay voambolana raha hilaza hoe :

05-mai-2022

i Madagasikara mihitsy no efa voaolana. Rendrika tanteraka any anaty lavaky ny fahantrana sy ny fahasahiranana ny vahoaka sy ny firenena, saingy toa tsy afa-manoatra firy fa manaiky izay atao aminy hatreto. Laingana sy fitahina mivantana amin’ny fampanantenana paradisakely ny Malagasy, kanefa tsy arakaraka izay ny vokatra entin’ny Mpitondra sy ny mpanao politika. Firifiry ireo ronono an-tavy nolazaina teto, eny fa hatramin’ny politikam-pitantanana ny firenena aza nambara fa hiova tanteraka satria mampahantra ny firenena ary tsy hampandroso na amin’ny 2030 na 2050, na 2060,… aza tsy handroso raha hiantehitra amin’ny mpamatsy vola mahazatra. Avy eo anefa mitotototo sy mandadilady any satria politika poakaty sy nentina nakana fom-bahoaka fotsiny ilay nambara. Ireharehana vao misy hivina famatsiam-bola. Maty hasina noho ny lainga sy famahanan-dalitra ny firenena, manaiky tsy fidiny noho ny fahantrana ny vahoaka, ny mpitondra tsy manana etika intsony ary tsy tena mitazona ny teny nomeny fa very tanteraka ilay antsoina hoe : « honnêteté intellectuelle ». Ireo vina nambara hotanterahina betsaka no mihitsoka satria tsy misy na tsy ampy ny hoenti-manana. Mahantra fadiranovana ny vahoaka, fa ny manam-pahefana kosa betsaka no mitombo harena, ary tsy ara-drariny ny ankamaroany. Fehezin’ny olom-bitsy ny harena, ary ny vahiny no manjakazaka sy manao izay fomba rehetra handrobana ankolaka na mivantana ny Malagasy raha tsy hilaza afatsy ny fangoronan-tany. Nodradradraina ny hoe : tsy hisy fandeferana na hiviny kely monja aza na « zéro tolérance » amin’ny kolikoly kanefa iaraha-mahalala ireo afera maro tsy mazava iniana hampanginina. Ny vahoaka sahiranna kanefa ny vola notrosaina sy fanomezana amin’ny anarany ratsy tantana, raha tsy hilaza afatsy ny 1818 miliara Ar ampahany niatrehana ny coronavirus. Betsaka ireo afera tsy mazava tamin’ireny, saingy nampirimina tanteraka hatreto. Mba re ihany ny fisiana resaka fa nezahina notakonana sy hafenina mafy fa hatramin’ny fikambanana malaza iray aza nampiasa ny ampahany tamin’ny vola. Tena hampandroso firenena ve ny tanjona nakana fahefana tsy nitandroana vola tsy toko tsy forohana sa natao hampitomboana ny ambaindain’ny harena?
MBOLA MISY FANJAKANA TAN-DALANA VE ETO?
Tsy hisy firenena handroso raha tsy mihatra ny tany tan-dalàna, saingy any amin’ny tombotsoa politika io no tena voizina. Raha atao teny vahiny dia hita miharihary ilay hoe: “violation de la constitution” izay midika “fanolanana ny lalàmpanorenena” raha ara-bakiteny, fa fanitsakitsahana kosa ara-keviny. Dradradraina amin’ny fianianan’ny filoha ny hoe: hanaja toy ny anakandriamaso ny lalàmpanorenana kanefa betsaka ny fanitsakitsahana terena ho ara-dalàna. Tefena hifanaraka amin’ny mpitondra ny lalàna fa tsy ny lalàna no natao harahin’ny mpitondra. Voalazan’ny lalàmpanorenana, ohatra, fa fidiana amin’ny alalan’ny latsa-bato handraisan’ny besinimaro anjara ny Lehiben’ny Faritra fa tsy misy an’izany governora izany ao, saingy io no terena ho ara-dalàna eto. Voizina ny fitsinjaram-pahefana tena izy, natao 2 miliara isaky ny faritra ny tetibolan’ny governora kanefa misy faritra maro be ny distrika ao aminy tahaka an’Atsimo Andrefana, ohatra, misy 9, raha toa ka 2 monja ny Bongolava. Ny resaka demokrasia natao ho amin’izay revirevin’ny mpitondra, arakaraka ny tombotsoany. Angaha tsy hoe : zo tsy azo ivalozana na « droit absolu » indray ny fidinana an-dalambe rehefa misy zavatra marary ny vahoaka? Ny vahoaka sy ny ferenena natao hanaiky lembenana fa ny mpitondra afaka manao izay reviny? Rehefa ny hafa no misioka dia vorondolo fa rehefa ny tena voromanga hatrany ?
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap