airtel

Politique

23-sept-2022

Politique

Fitantanana ny firenena Efa tena Fanjakan’i Baroa no misy eto

Sample post image

Mbola tany misy Fanjakana ihany ve eto sa izao ilay antsoina hoe: Fanjakan’I Baroa? Ny volan’ny Tahirim-pirenena ho an’ny fiahiana ara-tsosialy na ny CNaPS toa natao tantely afa-drakotra ka ny

23-sept-2022

Tale Jeneraly izay naiditra am-ponja vonjimaika aza hatry ny ela no nalaza fa nampitsoahana any ivelany, ny volamena 36 kg any anaty biraom-panjakana manjavona vitavita ho azy hanaovana resaka tsy mitombina dia navalon’ny andro sy ny volana teo, ny nitantanana ny vola fanampiana tamin’ny coronavirus manodidina ny 1818 miliara Ar betsaka ny tsy mangarahara saingy toy ny tsy misy sy Fanjakana madio tànana tsy tetezin’ota no mitondra ny firenena, ny soliky ny Jirama 64000 L nanjavona nisy nangalatra nifanilikilihana teo dia vitavita ho azy sy afa-maina ny voarohirohy,…
SARY 1 : Fa iza marina no tena atidohan’ny trafikana volamena eto e ?
MISY MPIARO
Tsy hisy hahavita hanao afera maloto goavana izany raha tsy misy mpiaro. Ny TIM na ny HVM na ny vondrona PANORAMA sy ny RMDM ve handeha hahavita hanova volamena ho korontam-by na handeha hanodina ny soliky ny Jirama? Dia tena hoe: tsy fantatra ve ny atidohan’ireny izay zava-doza tsy roa aman-tany kanefa fakana sary ny valizy sy ny etiketiketin’ny Filoha aza hitarina ho fikasana hifofo ain’izy mianankavy ka hamotehana fiainan’olona any Tsiafahy. Raha zavatra mitombina moa tsy ny tompon’andraikitry ny arofenitra sy ny mpiambina no tokony hifafa ny kihony voalohany? Tsetsetsatsa tsy aritra iny, fa miharihary ny zava-dratsy rehetra, saingy matetika manjavona ny afera maizina rehetra na ny pirina ihany no manefa ny trondro vaventy manao ny ataony ihany. Ao raha!? Mitohy sy miakatra ny lentan’ny afera, ary efa tena miantraika amin’ny vahoaka mivantana. Io indray ny solika mitapoka mamotika zavatra maro saingy ohatran’ny tsy maharototra firy an’ilay Fanjakana. Efa tena miparitaka amin’ny tobin-tsolika sasany anefa ny solika mitapoka, raha tarafina amin’ny fitarainana ataon’ny mpampiasa solika, ny fanamarihana ataon’ny mpanamboatra fiara sasany, ao ny potika fananana,… Mivadika ho raharaham-pirenena io satria tena lasa miteraka fikorontanan’ny saim-bahoaka ankoatra ny sabotazy ara-toekarena goavana aterany.


SAMY MIARO NY RAMBONY TSY HO TAPAKA?
Ekena fa nisy fisamborana tany Toamasina sy ny fitohizan'ny famotorana fa mba inona no fepetra raisina eo anatrehan'ny mety efa fipariahany? Ampy ve ny hoe: mametraha fitoriana sy fitarainana? Mbola tany misy Fanjakana ve eto? Raha ny serasera nataon’ny Ofisim-pirenena misahana ny akoran’afo (OMH) omaly izay raha haravona dia tahaka izao: Mametraha fitarainana, hoento ny porofona solika mitapoka, hoento ny faktiora (raha misy), atoroy ny toerana sy ny tobin-tsolika miaraka amin'ny Ora sy fotoana, mametraha fitarainana eny amin'ny Toby Ratsimandrava,... Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka izany raha zohiana, ka miankina amin’izay fitoriana sy fitarainana no andraisana andraikitra, kanefa anjara asan’ny OMH ny manao ny fitsirihana hisian’ny antoka ara-kalitao mialohan’ny hivarotana ny solika eny toby mpaninjara. Raha sakafo dia tsy ny fanesorana ny sakafo misy poizina eny an-tsena no atao fa hoe: hoento ny porofo na sanatria hoento ny faty sy ny faktiora nividianana azy. Hafahafa ny fandehan-javatra.
SARY 2 : Miparitaka indray ny solika mitapoka, manimba motera
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap