airtel

Politique

26-déc-2022

Politique

Fitantanana petatoko Ny RN2 potika, ny “autoroute” tsy antenaina

Sample post image

Miha potika andro aman’alina, ary tena mampitaraina ny rehetra ny lalàm-pirenena faharoa mampitohy an’i Toamasina sy Antananarivo.

26-déc-2022

Feno lavaka sy efa mamotaka ny ankamaroany, indrindra fa ny manomboka eo Moramanga miantsinanana. Efa tany amin’ny martsa na aprily 2020 no tonga tany Toamasina ny Filoha, nanao sehoseho fa amboarina iny làlana iny. Ny 21 aogisitra 2021 indray, nambara fa orinasa telo samihafa no hiaraka hanomboka ny asa fanamboarana ny RN2 eo anelaelan'i Toamasina sy Brickaville mba hanafaingana ny asa, ary dia efa naseho ireo “engins”. Nambara fa zava-dehibe loatra ny fahavitan’ity lalana ity eo amin’ny lafiny ara-toe-karena ary koa ho fanamorana ny fivezivezen’ny entana sy ny olona ato amin’ny faritra. Mandrak’ity ny androany, mbola tsy vita ny RN2 na ekena aza nisy ampahany kely namboarina tokoa. Ny volana oktobra teo indray nandritra ilay fikaonandohan’ny mpampiasa vola momba ny PEM teny Ivato izay nanambarana ny hanamboarana ny autoroute Antananarivo-Toamasina, nilaza ny Minisitry ny asa vaventy, fa hatomboka ny fanamboarana ireo làlam-pirenena dia ny RN2, RN4, RN7,… ary efa vonona ny tetibola. Roa volana aty aoriana isika, io iaraha-mahita io ny zava-misy. Ny fanatanterahana ny “autoroute” mbola baraing ny hoenti-manana, eny fa ny 80 km voalohany lazaina fa hatao amin’ny volam-panjakana madiodio aza ahiana ho mbola fampanantenana misavoamboana. Tsy vao izao no nanaovana fampanantenana poakaty, ary raha tarafina amin’ny zava-misy, vao mainka ho sarotra ny fanarenana ny RN2 satria mihombo ny fahavoazana. Ity làlam-pirenena iainkinan’ny ain’ny toekarena ity mihapotika tanteraka, ilay autoroute nampanantenaina mbola tsy misy antoka mazava ny hahavitany. Ahiana ho ny antenaina tsy azo, ny an-tànana votsotra. Ny 10 km nametrahana vato fototra ny 07 aprily 2019 izay hibabena henatra mandrak’ankehitriny satria tsy nisy na 1milimetatra vita aza moa tsy tanteraka ka amin’ny fomba ahoana no hinoana fa tena ampy sy feno ny hoenti-manana hanatanterahana 100% ireo vao nampanantenaina? Ny fampanantenana ahiana tsy ho tanteraka, ny fikojakojana tsy vita. Asa hoe: nankaiza ny vola ampidirin’ny solika izay efa hatry ny ela no nisy ahiahy fa voahodinkodina ny 457 miliara Ar hany ka ny an’ireo mpikojakoja làlana izay mety ampahafolon’io aza no maro no tsy mbola naharay ny volany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap