airtel

Politique

29-avril-2024

Fitantanana sy politika tandrametaka

Mifanitsaka ny propagandy sy ny fivoriana ara-potoanan’ny depiote

Sample post image

Ny talata 7 mey ho avy izao no hanomboka ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena

29-avril-2024

ho an’ity taona ity, izay haharitra 60 andro araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana. Io no fivoriana ara-potoana farany ho an’ny Antenimierampirenena amin’izao endriny izao satria ny 29mey ny fifidianana ireo solombavambahoaka ho an’ny dimy taona manaraka. Ankilany anefa, mifanitsaka amin’ny fisokafan’ny propagandy izay hanomboka ihany koa amin’ny 7 mey io fivoriana ara-potoana io. Betsaka amin’ireo depiote am-perin’asa anefa no mbola nirotsaka hofidiana, ka heverina fa hanamaivana ny fivoriana satria tsy maintsy hikofokofoka amin’ny fampielezan-kevitra. Ny faran’ny herinandro teo no nahenoana, fa tokony na tsy maintsy manatrika ny fanokafana ny depiote rehetra amin’io talata 7 mey io, araka ny toromarika nataon’ny Filohan’ny Antenimierampirenena mpisolo toerana Atoa Jean Jacques Rabenirina. Tsy nisy fandinihana hatrany am-boalohany ve ny fifanitsahana eo amin’ny fivoriana ara-potoana izay tafiditra anatin’ny asa haneren’ny lalàmpanorenana ny solombavambahoaka hanaramana azy ireo sy handraisany tambin-karama ? Tsy misy propangandy aza manao tsidi-pahitra ny depiote maro mainka fa ao anatin’izany ? Tena apetraka amin’ny lanjany sy ny hasiny ve ny Antenimierampirenena sa natao ho fitadiavan-tseza sy fihinanana volam-panjakana ary lalaovina hatrany amin’ny politika ? Andaniny, mitovitovy amin’io ihany koa ny fomba fiasa ao anatin’ny governemanta. Minisitra miisa 7 no nihazakazaka nandeha nanao kandida depiote, izay midika ho azy fa misy fahabangana ao anatin’ny governemanta, saingy notsetsintsentsenana amin’ny Minisitra vonjitavanandro. Feno aza ny toerana betsaka ny zavatra tsy mandeha mainka fa ao anatin’izao zava-misy izao. Miharihary fa ny fikatsahana handrombaka seza sy fahefana hatrany no tena mahamaika fa tsy izay mahasoa ny vahoaka. Ny fahefana mpanao lalàna nihen-danja hatrany tato ho ato noho ny antony maro : tsy tena miady ho an’ny vahoaka fa betsaka ireo depiote lasa solombavam-panjakana natao hiaro sy hanarontsarona ny tsy fahombiazan’ny fitondrana, ka porofo mivaingana amin’izany ireny nataon’ny IRD ireny. Lalaovin’ny fitondrana amin’izay mahadiavolana ny sainy raha tsy hilaza afatsy ny nanakanana amboletra ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny depiote ny governemanta noho ny tsy fahombiazana tamin’ny endriny maro. Ireny fanenjehana sy fanonganana filohana andrim-panjakana amboletra niainga tamin’ny volomboasary, tonga fanapahan-kevitra hafahafan’ny HCC. Lasa fialokalofana sy fieren’ireo be afera raha tsy hilaza afatsy ireo olon’ny fitondrana nanana dosie maloto goavana, saingy mihazakazaka mafy ny hialoka ao Tsimbazaza. Izany ve no heverintsika sy antenaina fa tena hitondra ny feom-bahoaka sy hiady ho an’ny tombotsoan’ny besinimaro fa tsy hitsikombakomba amin’ny fahefana mpanatanteraka tsy mamokatra ? Ny fahefana mpanatanteraka porofoin’ny karatra fa tsy mahavita azy, ka ny olan’ny firenena miha mitombo, ny krizy ara-tsosialy miha mangotraka, ny tahan’ny fahantrana efa hananika ny 90%, ny vidim-piainana tsy mitsaha-midangana, ny olan’ny angovo sy rano vao mainka miha zava-doza,… Izany ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap