airtel

Politique

03-nov-2023

Fitaovam-panjakana anaovana propagandy

Tazanim-potsiny hatrany aloha hatreto…

Sample post image

Tsy vao izao no nahenoana sy nahitana kandida ho filoham-pirenena heverina ho kandidam-panjakana notsikeraina ho mampiasa fitaovam-panjakana.

03-nov-2023

Tranga mety ho efa fahita tokoa izany na tamin’ireo repoblika tany aloha aza! Ny mpiaradia amin’ny fitondrana ihany moa no mivoy fa efa sarotra amin’izao fotoana izao ny mangalatra izany, ohatra hoe mangala-bato, satria efa misy an’ity Facebook ity sy itony finday avo lenta itony ahafahana maka sary ny zava-miseho rehetra dia samy mahita izany daholo ny olon-drehetra. Tamin’ny taona 2002 izao, hoy ny mpanao politika, Avoko Rakotoarijaona, dia nalaza ny fampitahana raki-tsoratra na P.V fa amin’izao alaina sary fotsiny ny vokatra eo amin’ny tabilao nanisam-bato dia efa mahita ny vokatra ny rehetra. Niharihary tokoa volana maro izay ny sarina fiara misy takelaka mena hoe nampiasaina tamina fivoriana goavana nataona vondrona politika iray teny Ivato teny. Azon’ireo mpikirakira tambazotran-tserasera na Facebook sary tokoa. Tsy izay ihany fa vao tamin’ny herinandro no nisy ilay mpanohana ny kandida ho filoham-pirenena laharana faha 3 naka sary nanoloana angidim-by miloko maitso misy sarina sainam-pirenena malagasy ary misy laharana izay toy ireny an’ny tafika malagasy ireny kanefa dia misy fanentanana mibaribary mba hifidianana ity heverina fa kandidam-panjakana ity. Iny indray omaly ny fivoahana sarina fiarakodia tsy mataho-dalana mitovy laharana saingy ny iray takelaka mena ary ny iray takelaka maintsy. Dia mbola ho lazaina fa fifandrifian-javatra foana ihany ve? Aiza tokoa ny fandraisan’andraikitry ny CENI sy ny HCC? Tena ampy nanakanana ny mpangalatra na ny mpibodo tokoa ve ny sary nalaina izay neverina fa efa porofo miharihary? Miandry ny fandraisan’andraikitry ny manam-pahefana hatrany aloha izany, na izany na tsy izany, manoloana izay resaka fampiasana fitaovam-panjakana hanaovana propagandy izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap