airtel

Politique

26-janv-2021

Politique

Fitaovana ampidirin’ny Fanjakana Mila fanazavana matotra sy mitombina

Sample post image

Zava-dehibe ny fahatongavan’ny fitaovana goavana fanamboaran-dàlana halefa

26-janv-2021

 

 

 

 

 

hampiasain’ireo faritra eto Madagasikara, izay naseho tao Toamasina ny 24 janoary lasa teo. Na izany aza, somary mampametra-panontaniana hoe: tena fitaovam-panjakana madiodio ve ireo sa ana orinasa na an’olona tsy miankina? Efa nisy mantsy ny toe-javatra toa mitovitovy amin’izao natao ny 14 desambra 2019 nampisehoana kamio sy fitaovana be dia be teny Mahamasina, kinanjo herintaona taty aoriana tsy mbola voaroaka sy voataona ny fakon’Antananarivo. Teny amin’iny faritra Andakana iny no nahitana ireo kamio be dia be avy eo, izay toa midika fa tsy fananam-panjakana fa an’olona hafa. Voasoratra tao anatin’ny tetibolam-panjakana 2020 na 2021 ve ny fividianana ireto fitaovana vaovao sa mety hitovy amin’ny teo aloha? Tahaka ny ahoana ny antso tolo-bidy nahafahana nividy sy nampiditra azy ireny teto raha volam-panjakana madiodio? Efa nanangana orinasam-panjakana momba ny asa vaventy sy fanaovan-dàlana ihany koa ve ny Fitondrana? Tsy finiavana hitsikera, ary tena mandrisika ny Fanjakana hiasa, saingy mila mangarahara kosa ny fitantanana ny firenena. Maro ny zavatra tsy dia mangarahara loatra eto, ary raha hitarina kely amina zavatra hafa, dia ahitana taratra ny toe-javatra toa mifamahofaho mitovitovy amin’io ilay raharaha fampidirana fitaovam-piadiana niadian-kevitra be teto. 16 desambra 2018, ohatra, izay tafiditra tao anatin’ny fangatahana momba ny andrana ataon’ny kandida Rajoelina ny “drones” sy ireo fitaovana nafarany ny fanatrehan’ny orinasa Lockheed USA sy ny Aerial Vision Africa atsy Afrika Atsimo. Ny desambra 2020 teo anefa, nilaza ny tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena fa novidiana 15 miliara Ar avy any Chine ny fitaovam-piadiana, ary tafiditra tao anatin’ny tetibolam-panjakana 2018? Inona izany no nahatafidiran’ny Lockheed USA izay mpamokatra fiaramanidina mpiady sy fitaovam-piadiana tao anatin’ny fangatahan’ny kandida Rajoelina? Tena marika sinoa ve ireo fitaovana novidiana? Manahirana sy mampanahy ny toe-javatra mifamahofaho tahaka izany, ary hanairana ny Fanjakana hatrany mba hisian’ny mangarahara. Toky R

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap