Nanambara fa tsy mihemotra, ary tsy mila fangatahan-dàlana satria zon’ny rehetra izany aminy. “Io kianja io no tokony hiadivana ny fanokafana azy manoloana izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Sokafy ny kianjan’ny demokrasia, tsy angatahana izany fa zo, tsy misy fangatahana alalana atao fa zoko zon’ny tsirairay ny mandeha any,... Tsy tiko hiaina anatin’ny fanandevozana ny taranako, aminay aleo maty mitsangana toy izay velona mandohalika”, hoy I Doris Rakoto Samuel. Naneho fa tsy mihemotra amin’ny mety ho fisamborana na fanagadrana. Misy ny manefo hoe: ny zaza jerena fa mila anao ireo, aza atao sorona amin’ny politika, aleo aorian’ny fifidianana,… “Ny niterahako tsy hanao an'io zaza io ho andevo na handohalika eo anatrehan'ny mpitondra. Ho an'ny zanako no hitolomako, ho an'ny zanakao”, hoy I Doris Rakoto Samuel. Nanitrikitrika fa leo tanteraka amin'ilay zava-misy matoa midina eny an-dalambe: banky ropitra na “faillite” ny volam-panjakana na “tresor public” kanefa tsy misy resaka), banky ropitra ny CNAPS tsy misy resaka, asaina manao ny tsy fanao ny Banky Foibe tsy misy resaka), volamena nivadika vy tsy misy resaka, raharaha Jirama tsy misy resaka,… dia ny basy ny harangaranga”, hoy hatrany izy. Nametra-panontaniana ny tenany hoe:andrasana hifampihinanana manta ve ny Malagasy amin'ity fahantrana mavaivay ity sy ny "Zavatra mety hitranga ato ho ato" dia ny mahantra hamono sy hanafika ny mpanankarena eo akaikiny? Satria sakanana tsy havela haneho hevitra ankalalahana? Tsy manaiky aho, ahy i Madagasikara, antsika i Madagasikara fa tsy azy irery. Takiako ny hasin'ny 13 mey, anay io, anao, antsika », hoy hatrany izy.
NAMPITANDRINA NY FILOHA RAJOELINA...
Nialoha io, afak’omaly, nisy ny hafatra miantefa amin’ny Filoha Rajoelina voalaza fa avy I Mahery Lanto Manandafy, izay nampahatsiahy hoe: “Hatramin'izay aho tsy nikasika vady aman-janaky ny “adversaires politique”, ingahy mahalala an'izany izaho no niteny voalohany rehefa voatoraky ny atody i Mialy Rajoelina sy Ilona, Lalatiana mahalala an'izany. Fa ny aza adino ihany koa fa izaho no namaky ny “ambassade” tao amin'ny 4, rue Raphaël voalohany herinandro taorian'ny nanagadrana ny Raiko, Marc be ireny no nanaraka ahy tamin'izany. Na France na Suisse hananako reseau daholo. Ka mbola averiko, aza terena hifoha ilay biby ao anatiko, « la loi du Talion, œil pour œil, dent pour dent ». Hafatra izay tena mahery vaika, mitory fampitandremana na mety ho fandrahonana mihitsy aza eo anatrehan’ny mety ho fikitikitihana ny vady aman-janany. Mbola niampy aza hoe : Ilay COMGEN nao mahalala tsara ahoana aho rehefa romotra. Tsy mila “ceinture noire” aho fa ny ahy ny mokondohako ihany fa hanaovako voady eto fa potipotehiko daholo ny sarobidy amin'ingahy rehetra tsy manana safidy intsony ingahy afa-tsy ny mamono tena.”. Filoham-pirenena no iantefan’izany, olona any am-ponja no nampita hafatra tamin’ny vadiny. Manana fahatokisan-tena goavana izy ireo rehefa dinihina ka inona no mety ho antony? Mety misy vondron-kery lehibe manohana ve? Amin’ny politika tsy misy ny kisendrasendra ka andrasana izay mety hitranga anio sy aoriana!
Toky R
Nahitsy ny Filohan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga na ny MMM Hajo Andrianainarivelo
Hampivelatra ny toekarena sa sanatria Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny Minisitra
Nanao fampahatsiahivana sy fanentanana tamin’ny alalan’ny Sekretera
Marihina isaky ny 20 martsa tahaka izao ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia.
Ny governoran’Analamanga no naneho hevitra fa mety amin’ny any atsimo ny tetikasa
Mitsidika eto Madagasikara eto Madagasikara manomboka anio 20 martsa hatramin’ny rahampitso