Io no fanontaniana napetraky ny mpanara-baovao sasany omaly teo anatrehan’ny fisian’ny lanonam-panjakana notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina teny Itaosy. Tsy ny fotodrafitrasa no ratsy, fa ny fomba ara-politika tao anatin’ny fitokanana no mety hampiady hevitra. Nandritra ny fitokanana ny fotodrafitrasa vaovao omaly mantsy, dia nisy ny fanamarihana nandeha fa nisy andian’olona hafa ivelan’Itaosy notaterina avy amin’ny Boriborintany fahadimy. Mety hoe: delegasionina no hamaritana azy, fa misy avy hatrany no mandika azy ho endriky ny tsy dia fahazakan’ny Fitondrana olona intsony, ka tsy maintsy mitady izay fomba hafa hanamaromaro isa ny mpanotrona hoenti-maneho fa mbola maro vahoaka mpanohana. Efa fomba fiadin’ny mpanao politika sasany hatrany amin’ny propagandy rahateo no mitaona olona hanotrona any amin’izay toerana haleha, ka ny ankamaroan’ny hitanao eo amin’ny toerana iray ihany no ho hitanao any an-kafa. Ny resaka fisintonana olona amin’ny resaka artista malaza moa dia efa zary tandra vadin-koditra, ka ireny miampy fizarana t-shirt na zavatra indraindray no lasa mason-tsivana lasa hifidianan’ny olona ny kandida iray, fa tsy lanja sy ny lentan’ny fandaharan’asa ho an’ny vahoaka, hany ka zary voafitaka lava ny Malagasy.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby