airtel

Politique

23-mai-2022

Politique

Fitondrana miha malemy Hosihosen’ny olona ny fahefam-panjakana

Sample post image

Sesilany ireo tranga maneho fa tsy voafehy intsony ny Fanjakana. Tototry ny olana ny Fanjakana. Ny oniversite migrevy noho ny resaka ara-bola sy lalàna,

23-mai-2022

ny volan’ny mpandrahara tamin’ny resaka làlana amina miliara maro ny vola tsy voaloa,... Ny olana ara-tsosialy mirongatra, ny fahefam-panjakana efa manomboa refesin’ny olona. Tsy fahita firy izany hoe: mpitandro ny filaminana nosamborin’ny vahoaka izany, saingy iny niseho tany Taolagnaro iny. Zava-doza izany hoe: mpitandro filaminana ataon’ny vahoaka takalon’aina. Ny trangana fitsaram-bahoaka tany Toliara II, olona efa voasambotry ny mpitandro ny filaminana no navoakan’ny olona dia nodarohany sy nodorany. Mitovitovy amin’izany ny tany Betafo hoe: olona ahiana no nanao ratsy nalain’ny lasibatra tany an-tranony mba hoentina any amin’ny mpitandro ny filaminana, saingy voalaza navadiky ny havan’ny ankilany ho fakana an-keriny ka dia ilay iray indray no matin’ny fitsaram-bahoaka. Endrika maneho ny faharefoan’ny fahefam-panjakana ireny rehetra ireny. Ny ara-tsosialy moa grevy etsy grevry eroa, tahaka io olan’ny anjerimanontolo tsy mbola tena milamina tanteraka io. Ny toekarena ambony ambany, tsy manana antoka sy fitoniana ny mpampiasa vola goavana,… Ny vidin’entana tsy voafehy, ary vao mainka mety hiha hahery vaika. Tena mihasarotra ny toe-draharaha, ary iny efa nampiomana iny ny Filoham-pirenena taorian’ny diany tany ivelany, fa mila miomana amin’ny ho fiakaran’ny vidin-tsolika izay tsy azo hihodivirana. Ny karaman’ny mpiasam-panjakana no nasondrotra 5% hatramin’ny 25%. Nandeha ny resaka amin’ny fampiakarana ny an’ny tsy miankina, saingy betsaka ny orinasa mialangalana na eo aza ilay hoe: tsy mandoa ny “charge patronale” any amin’ny CNaPS manodidina ny 34000Ar ny Fanjakana fa ny Fanjakana no hanonitra azy. Maro no miahiahy hoe: sao dia ho loza mitatao amin’ny fisotroan-dronono satria raha ny làlan-tsaina nentin’ity Fanjakana ity dia izy no mpandoatra vola ao fa tsy mpandrotsaka. Ny ankamaroan’ny orinasa sy ny fihariana eto ihany koa dia tsy ao anatin’ny sehatra ara-dalàna ankoatra ny eny ambanivohitra manampy azy ireo. Ny fifehezana ny vidim-piainana tsy tena tafapetraka, tsy voafehy ny vidiny farany ambony napetraka. Ny vidin-tsolika mananontanona ny fiakarany, ny vidim-piainana miakatra hatrany,… Aiza no niafaran’ny SPM (State Procurement of Madagascar) izay naorina ny novambra 2019 nambara fa hanafaran’ny Fanjakana ireo entana ilay andavanandro sy ny solika mba hialana amin’ny antanan-tohatra sy ny fanararaotana samihafa? Marefo sy malemy tanteraka ny Fanjakana eo anatrehan’ny zava-misy ka toa manaraka ny onjany sisa! Tsy mahazaka fitondrana.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap