Tsy finiavana hanakiana sy hitsikera, fa tena henjana ny fahapotehana nentin’izao fitondrana izao, ary ho zava-doza raha hiampy 5 taona indray. Hita taratra amin’ny fihetsiny, fa toa tsy hiova amin’ny fanaony, fa vao mainka midingin-drambo. Mandeha ny mpanohitra mitsikera ny tsy mety, tratry ny hoe: “mpanenjika tozora afara”, mpanakorontana, misakana fampandrosoana,… Mandeha ny Antenimierampirenena izay nisy depiote IRD maro an’isa nanao fitsipaham-pitokisana noho ny zavatra tsy mety marina: tsy fahatanterahan’ny programa ankampoben’ny Fanjakana, trafikana harem-pirenena, volamena 36kg nanjavona, fanodinkodinana volam-panjakana mihoampampana, kolikoly avo lenta tapitr’ohatra, fitomboan’ny faritra ianjadian’ny kere, fitomboan’ny tahan’ny olona mahantra, tsy fahafehezana ny vidim-piainana midangana andro aman’alina,… Tsy nasiana vidiny fa nezahina natsefotra tamin’ny baiko midina. Nandeha ny vaovao momba ny fahoriam-bahoaka any Ikongo fa misy olona mivaro-janaka ankolaka na mivantana mihitsy noho ny fahantrana sy ny hanohanana, saingy ny fiezahana handiso sy hanenjika izay milaza izany no mahamaika fa tsy ny hoe: moa ve vitanay ny adidy ho an’ny vahoaka mba tsy hiteraka fahantrana lalina sy kere? Io indray ny Fiangonana fa nitondra hafatra mafonja naneho sy nitondra toromarika momba ny raharaham-pirenena, ary nilaza ny zava-misy iainan’ny vahoaka, saingy ireo mpitondra no mahana tsy henjehina sy tsy mahazaka fahamarinana, fady ny hiaiky ny tsy mety sy hanitsy ny dia fa vao mainka avo vava, toa mahana tsy henjehina. Inona ny fahadisoan’ny Fiangonana raha milaza fa vidian-dafo any amin’ny toekarena ny hala-bato satria tsy misy fampandrosoana handeha amin’izany? Diso ve ny filazana fa misy firenena fahadimy avy any amin’ny gisitra, tsy mandeha ny fiainam-pirenena, tsy misy fiainam-bahoaka mandeha,… Izany no zavatra vokany rehefa manjaka ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny, hoy ilay Mpitandrina iray. Tsy vahaolana ve ny filazana fa tsy ny herin’ny miaramila no hahatafavoaka fa ny herin’ny toekarena sy ny famokarana mandroso? Ny fiangonana dia voasokajy ho mpaminany, to teny, arofanina, tsy misorona eo anatrehan’ny tsy mety ka manolo-tsaina mivantana na ankolaka, saingy raisin’ny mpitondra sasany ho fahavalo. Iza intsony no hohenoiny sy hohekeny raha ny Fiangonana aza toa tadiaviny hiankohoka sy hanapi-maso eo anatrehan’ny tsy fahombiazany ?
NY MANAO NY TSY METY INDRAY NO AVO VAVA
Mba samy nanana ny fahadisoany ny mpitondra nifanesy, fa ny an’ity toa arakaraka ny fanaovany zavatra tsy mety no vao mainka mampidingin-drambo ary toa nekena sy nandeferana hatrany ka manararaotra. Tsy vao izao io, fa efa niainga tamin’ny fanonganam-panjakana 2009, nitohy tamin’ny fitantanana mamoafady tamin’ny endriny maro,... Tsy misy resaka fankahalana fa raha refesina amin’ny fiainam-bahoaka, ny toekarena,… dia ity no Fitondrana poizina indrindra teto amin’ny firenena. Sanatria toa loharanon’ny fahapotehan’ny firenena isak’izay mahazo fahefana ka anjaran’ny Malagasy no maka lesona.
Toky R
Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy
Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna
Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,
Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio
Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may
Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)