Resaka no betsaka, fa ny fanatanterahana poakaty. Ity fitondrana Rajoelina ity angamba no tompondaka na “champion” tamin’ny diplaomasia tandrametraka hatramin’izay, ary tena tonga amin’ilay fomba fiteny hoe: “tsy ambony tsy ambany tahaka ny lohalik’alika”. Izao ny Minisitry ny raharaham-bahiny vaovao Rtoa Yvette Sylla vao milaza fa mbola tsy tara, mandeha ny dingana rehetra amin’ny fanendrena ambasadaoro, ary efa fantatra ireo olona sy toerana hanendrena azy, saingy tsy maintsy miandry ny setriny sy fankatoavana any amin’ireo toerana na firenena handefasana solontena, raha ny nambarany ny herinandro teo. Zara raha nahavita nanendry Ambasadaoro miisa 5 isika tao anatin’ny 4 taona mahery kely, ary ny 1 aza efa io nampodiana natao minisitry ny raharaham-bahiny io. Hatramin’izay tsy hita izay natao sy nafitsoka, eny fa na ny diplaomasia Malagasy aza tsy nisy fahamarinan-toerana. Vao niainga tany amin’ny propagandy dia efa nanao “dérapage” na fahadisoana I Andry Rajoelina tamin’ny fanaovana vava be fa tsy hampandroso na amin’ny 2060 aza ny fitrosana amin’ny mpamatsy vola mahazatra. Saika mbola ny 80% amin’ny vola sy ny fampiasam-bola anefa ianteherantsika amin’ireo na mivantana na ankolaka. Io anefa ny Minisitry ny toekarena sy ny vola any Doha, fa mivoy fanalefahana amin’ny fepetra amin’ny findramam-bola sy ny fanafoanana mihitsy ny trosa. Tsy arakaraka ny vava be noho izany ny fitantanana, fa kofona tanteraka, tsy misy zavatra mandeha firy raha tsy misy fanampiana sy famatsiam-bola. Tao anatin’ny 4 taona mahery kely nitantanana, efa miisa 7 izao ireo Minisitry ny raharaham-bahiny teo, izay mampibaribary fa tsy nisy fahamarinan-toerana ka tsy atao mahagaga raha tandrametaka ny diplaomasiantsika. Efa tamin’ny andron’ingahy Patrick Rajoelina ny nisy resaka hoe: 303 ireo dosie hisafidianana ambasadaoro, aty amin’ny 6 volana farany hitondrana mbola tsy misy zavatra mivaingana. Teo ny mety olana arak’olona fa mety olana hafa ny ara-bola hanodinana an’ireny, ka lalaovina amin’ny hoe: tsy maintsy miandry ny fankatoavana avy any amin’ny firenena handefasana. Vao izao angaha vao fantatra izany fomba fiasa iraisam-pirenena izany? Mbola porofo miharihary ireny fitsimbadimbadihana ara-potokevitra momba ny raharaha Ukraine-Russie ireny ka tsy hita intsony izay tena fijery mazava, fa toa ilay Fitondrana indray aza no manakorontana saim-bahoaka. Mbola fahafaham-baraka ihany koa io grevin’ny Mpiasan’ny Masoivoho any Frantsa noho ny afitsoky ny tompon’andraikitra ambony iray,
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby